Napetraka any amin’ny toerana tsara ambina Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard Tsarahame, hoy i Christine Razanamahasoa, ministry ny fitsarana, omaly, raha nanontanian’ny fahitalavitra Matv ny amin’ny toerana nitazomana ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra ireo.
Te hilaza ve izany ity ministra ity fa tsy azo antoka intsony ny fandriampahalemana sy ny fiarovana amin’ireo fonja misy amin’izao fotoana izao ? Taorian’ny tsy nahatongavan’izy telo ireo teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny talata 23 novambra lasa teo dia manomboka niparitaka teto an-drenivohitra ny feo fa toa hoe maratra sy mangana noho ny vono sy daroka nahazo azy ireo ihany koa Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard Tsarahame. Araka ny feo mandeha ihany dia izay no antony tsy nitondrana azy ireo teny Anosy satria raha mahita ireo mpomba ny Ankolafy Telo fa mangana sy rapa ary feno ratra ireo mpitarika azy dia mety ho tezitra ka tsy fantatra izay zavatra mety hitranga tampoka eo. Niainga tamin’ny honohono tahaka izao ihany mantsy ny momba ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Coutiti ny sabotsy alina. Ny talata alina vao niteny tamin’ny fomba ofisialy ny manampahefana fa efa manomboka mihatsara ny fahasalaman’izy ireo fa tsy nampanahy tahaka ny tamin’ny nahatongavany teny Tsiafahy. Reraky ny vono sy ny daroka tokoa izany ireto manamboninahitra roa ireto ny sabotsy lasa teo, taorian’ny nisamborana azy.
Nambara anefa fa nitolo-batana izy ireo. Na nisy aza ny fifamaliana am-bava teo amin’izy ireo sy ny miaramila nisambotra azy, manan-jo feno hidaroka araka izay tiany ve ny mpisambotra ? Dia tahaka izany koa ireo mpitarika ny ankolafy telo izay tsy mbola fantatra mazava hatramin’izao hoe aiza marina no toerana hitazonana azy. Samy mahitsy fitenenana amin’ny fanakianana ny fitondrana tetezamita izy telo mirahalahy ireo, ary fantatra fa maro mihitsy ireo manampahefana tezitra amin’ny teny nambaran’izy ireo. Efa ela ihany koa no nikaroka ny fomba rehetra hahafahana misambotra azy telo mirahalahy ny FAT saingy izao vao tanteraka izany. Midika ve izany rehetra izany fa azo darohana sy vonoina izy ireo ? Ary na ireo olona akaiky azy ireo aza dia manahy mafy ihany koa fa mety misy zavatra manjo azy ireo, ka izay no tsy namelan’ny manampahefana ireto farany ny hifanatri-tava amin’izy ireo. Na ny mpisolovava aza dia tsy navela hifandray sy hitsidika ary hifanatri-tava amin’izy ireo koa. Nahemotra amin’ny 25 janoary 2011 moa ny fotoam-pitsarana an’i Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard Tsarahame.
Araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika dia tsy maintsy nahemotra ny daty satria mety vizana sy torovana tokoa izy ireo noho ny vono natao taminy ka mety tsy afaka mitsangana sy miteny akory. «Enga anie ka mba ho tsaho sy honohono fotsiny ihany izany hoe fidarohana an-dry Fetison sy ny namany izany, fa raha sanatria marina sy mitombina io dia mety tsy ho vita mora ary tsy hampilamina mihitsy ny toe-draharaha politika eto», hoy ny mpitolona iray avy ao amin’ny ankolafy telo. Miandry izay tena zava-misy marina hambaran izao fa manara-maso akaiky ny fizotr’ity raharaha ity ny sehatra iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.