“Sarotra ny lalana diavin’ny firenena ankehitriny. Dia ho sanatria ho tapi-dalan-kaleha ve isika ? Antsika ity firenena ity. Isika rehetra mitady vahaolana hivoahana amin’izao lalan-tsarotra izao dia samy tompon’andraikitra, koa aoka hampiseho toe-po mendrika ny fitiavan-tanindrazana”.
Santionany amin’ny hafatra an-taratasy avy amin’i Fetison Rakoto Andrianirina ireo. Tsy misy afaka hilaza sy hitompo teny fantatra fa manana ny rariny eo anoloan’ireny zava-misy ireny, hoy ihany izy ka dia mitarika ny sain’ny rehetra handini-tena ny tenany na ny vahoaka, na ny mpanao politika na ny miaramila na ireo izay eo amin’ny fitondrana.Manoloana izany àry dia miantso ny Malagasy hiaina indray ilay fanahy mandala fihavanana, ny firaisan-kina nanabeazana, izy. “Aoka tsy hanjaka ny fifankahalana, ny fifandrafesana ary indrindra indrindra mijoroa amin’ny maha olom-pirenena anao : saro-piaro amin’ny rariny sy ny hitsiny, amin’ny fampanjakana ny zo aman-kasin’ny tsirairay”, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianirina. Niantso ireo miaramila koa ny tenany mba hijoro tokoa ho an’ny tanindrazana, tsy hanao kely tsy mba mamindro. Ankoatra izay dia nambarany fa “aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”.
Tokony hahay hihaino ny hafa ny ao amin’ny fitondrana, hoy izy ary tokony hampajaka ny fahalalahana izay antoky ny demokrasia. Tsy vahaolana ny fampihorohoroana sy ny herisetra na koa ny famonoan’olona sy ny fanagadrana, ny valifaty, ny jadona, ny lainga sy fitaka, hoy ihany ity lehiben’ny ankolafy Ravalomanana ity. Nambarany koa fa ho sarotra ny hanarina izao firenena izao ary mitaky olona tena tia tanindrazana izany, manana fahavononana sy afaka mampandefitra ny hambom-po. Hatreto aloha dia karazan’ny toy ny mitory teny an’efitra ihany ny tenany satria vao tsy ela, fa ny alarobia teo, dia nolavin’ny fitsarana ny fangatahan’ireo mpitarika ny mpanohitra ny fahafahana vonjimaika. Hatreto izany, tato anatin’ny 2 taona latsaka naha teo amin’ny fitondrana ny FAT dia manodidina ny 350 ireo nofonjaina, miaramila sy sivily.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.