Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Tena zava-dehibe ny tohana iraisam-pirenena”


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Manohy ny ady amin’ny covid-19 i Madagasikara. Mivoatra hatrany ny valanaretina, kanefa somary mihena ny tranga mitaha ny tamin’ny herinandro lasa, raha jerena amin’ny antontan’isa ofisialy.

 

 

 Na izany aza, mila mailo sy mitandrina ary manaja ny fepetra hatrany ny vahoaka Malagasy, raha te hanatratra ny fanafoana tanteraka ny covid-19, hoy ny Roso ho amin’ny Demokrasia Sahaza na ny RDS tarihin’I Fetison Rakoto Andrianirina. Singa lehibe tsy azo hamaivanina ny tohana entin’ny Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola eo amin’ny ady atao, izay ahafahana miroso lavitra kokoa na eo amin’ny fifehezana ny valanaretina na ny fanamaivanana ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena. Tsy azo hamaivanina ny sora-bola atontona amin’izany sy ny tokony ho vokatra entiny. Raha tena mitady fitoniana ny governemanta ary eo anatrehan’ny fitakiana ny mangaraharaha amin’ny fampiasana ny vola azo sy ny antso avo nataon’ny Firaisamonim-pirenena na ny sehatra politika, dia tena mila apetraka ny fitantanana mangarahara sy mahomby. Voizin’ny RDS ny hoe:“Miray hina, mandresy ny covid-19 sy hiatrika ny ho avy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ary ao anatin’ny fangaraharana”. Miankina amin’izany ny fahombiazana sy ny tohiny aorian’ny krizy ara-pahasalamana, hoy ny RDS. Naneho fisaorana sy fiombonana alahelo eo anatrehan’ny fisian’ireo mpiasan’ny Mpiara-miombon’antoka, izay nanome ny ainy ho an’i Madagasikara tamin’ity ady sy sedra iaraha-mizaka ity antoko ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT