Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Misy ny tsirim-panantenana”


  • Alatsinainy 03 Janoary 2011

Na any am-ponjan’Ambatolampy any aza dia nahatsiaro manokana ny Malagasy mpiray tanindrazana i Fetison Rakoto Andrianirina tamin’izao tonon-taona izao.

Tamin’ny taratasy nosoratany no nanamarihany fa “toy ny taona rehetra dia nanana izay nanamarika azy ny taona 2010 : tsingerin-taona faha-50 niverenan’ny fahaleovan-tena, taona nikofokofohan’ny Malagasy hikaro-dalana ivoahana amin’ny krizy izay tena nitarazoka, taona mbola nidradradradran’ny maro fahalalahana, fahafahana, filaminana… Taona tsy nampandry fahalemana ny tany : tao ny asan-jiolahy, ny hetsika sy ny fitakiana etsy sy eroa… taona tena nahatsapan’ny maro fahasahiranana”. Koa, raha tojo taona vaovao ankehitriny, “nahoana no tsy ho faly hifampiarahaba sy hifampirary soa ? Miara-miombom-pifaliana aminareo izahay telo mirahalahy voafonja aty Ambatolampy”, hoy izy. Faniriany ny hifaran’ity krizy ity amin’izay, mba hanjaka eto amin’ny firenena ny fahalalahana, ho resy ny fahantrana, ary hiaina am-pilaminana ny vahoaka ka hanefa am-pahavitrihana ny adidy sy ny andraikitra tandrify azy, ahafahan’ny firenena mandroso ho amin’ny tsara kokoa hatrany.

Tsy azo lavina, hoy izy, fa “misy ny tsirim-panantenana ary tena mahafaly fa resy lahatra ny maro, na ny mpitondra ao amin’ny HAT, na ny mpanao politika, na ny vahoaka fa tena ilaina ny fifampidinihana ary efa miroso ho amin’izany ny rehetra. Tena ilaina ny mifampidinika, hahatongavana amin’ny fifanarahana matotra ka eken’ny rehetra sy ny fiaraha-monina iraisam-pirenena”. Nanao antso ho an’ny rehetra ny tenany, mba handray anjara amin’ny fifampidinihana, ka tsy hisy ny hahatsiaro fa nailikilika na natao an-kilabao. “Ndao arodana ilay efitra mampisaraka noho ny tsy fitovian-kevitra, fa arangaranga ho fiadiana ny fifankatiavana, ny fihavanana noho ny tanindrazana iombonana”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Aoka hezahina, hoy ihany ity farany, mba ho tetezamita iombonana ary ho voafetra ao anatin’ny fotoana voatondro. Hezahina ny hampahaleo tena tanteraka ny CENI, ny hananganana ny CNR mba hirosoana amin’ny fifamelana sy fampihavanana tanteraka, ny fifanatonan’ny miaramila mba hiverenan’ny fifampitokisana sy ny fifankatiavana eo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fihaonambe.
 
Antoka hahafahany manefa ny zara fanompoany amin’ny tanindrazana dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny firenena. Manamafy i Fetison Rakoto Andrianirina fa ombany manana amin’ireo rehetra resy lahatra fa ilaina ary zava-dehibe tokoa ny fifampidinihina, ankitsim-po, ka “maniry aho raha maniry ny hisian’ny fifanarahana matotra tena mitsinjo ny tombon-tsoam-bahoaka. Efa nambarako fa tsy tanjona ny fidirana ao amin’ny governemanta na ny fitondram-panjakana. Na tsy ao anaty fitondrana aza, dia afaka mitondra anjara biriky foana amin’ny fampandrosoana ny firenena, ao anatin’ny fandalana ny soatoavina Malagasy : ny fanajana ny fahamarinana, ny fihavanana sy ny zo aman-kasin’ny tsirairay. Enga anie tsy ho baikon’ny fitiavan-tena ny rehetra fa hihaino ny feon’ny fieritreretana ka hisikin-kerim-po sy finiavana hikatsaka andro aman’alina ny soa ho an’ny firenena !” , hoy izy namarana ny taratasiny.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Fetison Rakoto Andrianirina (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT