Politique

Fetison Rakoto Andrianirina «Mila arindra ny fitondrana ny tolona»


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Nandefa taratasy ary novakian’i Yves Aimé Rakotoarison nandritra ny hetsiky ny Ankolafy Telo tao amin’ny kianja monisipaly Alarobia, omaly, i Fetison Rakoto Andrianirina.

Tamin’izay no nilazany fa «tsy afaka manao izay saim-pantatsika isika fa manjary miteraka savorovoro ao aminareo ka mametraka anareo eo anatrehan’ny toe-javatra mety hampidi-kizo sy hampijaly anareo. Efa natambatry ny tanjona iombonana isika dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fampodiana an’ireo lasa nonina tsy fidiny any ivelany, ary ao anatin’izany ny filoha roa lahy dia Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc. Ilain’ny firenentsika ny fitoniana ara-politika, koa tsy vahaolaan velively ny fanakanana ny hafa tsy hiteny, ny fisamborana sy ny fanagadrana, ny fampihorohoroana … izay tsy mitondra afa tsy any amin’ny fisaraham-bazana, disadisa ary indrindra fifankahalana. Izany indrindra no hisintonako ny saintsika tsy hiroboka ao anatin’ny fifankahalana ka hanome toerana ny valifaty fa vao mainka mampihitsoka ny firenena izany. Mila ny fahendren’ny Malagasy ny firenena, ilay fahendrena mandala ny fihavanana, fiaraha-midinika isian’ny fiaraha-mientana». Nanao antso niantefa tamin’ny miaramila ihany koa ny tenany, «hanaja hatrany ny tarigetrany ka tsy ho voazarazara ary ilaina mihitsy ny hisian’ny fihaonamben’ny tafika hamitranana fihavanana».

Tena sarotra ny lalana diavian’ny firenena ankehitriny, hoy i Fetison, koa andraikitro, andraikitry ny tsirairay ny mijoro, hiaro sy hisakana ny ratsy mety hanimba ny firenena. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Yves Aimé Rakotoarison, namaky ny hafatra avy amin’i Fetison Rakoto Andrianirina, filohan’ny delegasionin’ny Ankolafy Ravalomanana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT