14 Oktobra, itsingerenan’ny nanambarana ny maha Repoblika an’i Madagasikara. Maro ny fanehoan-kevitra manodidina azy io. Manana ny fahitany azy ny Antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina.
TiaTanindrazana (TT) : Vao avy nankalaza ny andron’ny 14 Oktobra isika, midika inona ho anareo ao amin’ny Antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS) izany ? Afaka mahasolo ny datin’ny 26 Jona ve izany ?
Fetison : Na ny datin’ny 14 Oktobra 1959 na ny 26 Jona 1960 dia daty tsy azo sarahina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy. Iry voalohany dia ny nahaterahan’ny maha-Repoblika an’i Madagasikara. Na dia efa naka ny endriky ny maha-Repoblika anefa aza isika tamin’izany, dia tsy mbola niverina tanteraka ny fahaleovantena ka nahatonga ny Filoha Tsiranana Philibert nanohy ireo dinika sy fifampiraharahana hiverenan’ny fahaleovantena tanteraka, na dia ny ara-politika ihany aloha. Tsy maintsy notakina ny famindram-pahefana ka nahatongavana tamin’ny « accords de coopération ». Ireny no niteraka ny 26 Jona. Etsy andaniny koa, ny taona 1960 no nipoiran’ny Tafika Malagasy voalohany, rariny raha toa ny 26 Jona no hankalazaina, tsy hanadinoana ireo rehetra mandrafitra ny tantarantsika anefa izany.
TT : Maro ny nankasitraka ny fanomezam-boninahitra tany Anahindrano ny Rain’ny Fahaleovantena Philibert Tsiranana nasehon’ny Filoha ankehitriny, Atoa Andry Rajoelina. Miombon-kevitra amin’izany ve ianareo ? Fetison : Tsy misy mandà izany. Fa inona kosa anefa no nataontsika mba ho setrin’ny ny ezaka nataon’i Raiamandreny Tsiranana Philibert ? Lasa fiatsarambelatsihy ny fankalazana ny Repoblika Malagasy rehefa tsy hajaina ny hasin’ny maha-Repoblika azy. Aminay, izany Repoblika izany dia tokony homem-boninahitra, homen-danja sy tompoin’ny rehetra, indrindra moa fa ho an’ireo izay nomena ny andraikitra sy adidy ny hiaro azy. Mampalahelo fa lasa seho ivelany fotsiny sisa no hita.
TT : Iza no tianao tondroina fa nomena andraikitra hiaro ny Repoblika ary inona no mahatonga anao miteny izany ?
Fetison : Very ny maha-Repoblika an’i Madagasikara rehefa ireo tompon’andraikitra tarihin’ny Filohampirenena no tsy manaja sy miaro azy. Santionany vitsy ireto : fanaovana tsinontsinona ny Repoblika ny tsy fanajana ny Sata mifehy azy dia ny Lalampanorenana, fanikatsitsahana ny maha-Repoblika ny tsy fanajana – noho ny resaka politika – ireo Rafitra mandrafitra azy, soritako manokana ny tsy famoahana ny teti-bola efa nekena hiasan’ny Antenimieran-doholona ohatra, ny fanaovana amboletra ny fifidianana hitadiavana ny maro an’isa, izay tsy misy maharatsy azy rehefa hajaina ny lalàna manankery. Ary aza adino, fitsipiky voalohan’ny Repoblika ny fifampiresahina na ny « dialogue ». Misy ve izany ankehitriny ?
TT : Te hilaza ve izany ianao fa miroso ho amin’ny jadona isika ?
Fetison : Betsaka ny zava-manahirana ny saina amin’ny fomba fitondrana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mananontanona ny endrika « didiko fe lehibe » isika ka ahiana ny fahaverezan’ny kolontsaina sy ny firaisankinan’ny malagasy, hiteraka korontana ka mety haningotra ny maha-Repoblika ny firenena izany. Manamafy aho fa tsy ho zakantsika malagasy intsony ny korontana ara-politika sy ara-tsosialy vokaran’izany fihetsika tsy mendrika izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.