Andro sisa isaina dia hivalona ny taona 2020. Fotoana ny toy izao anaovana jery
todika fohy ny taona ary koa hanaovana tombana ny ho avy. Manana ny heviny i Fetison Rakoto Andrianirina, filoha nasionalin’ny antoko RDS (Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy), araka izao tafatafa izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Hifarana ity ny taona, ahoana ny fomba fahitanao iny 2020 iny ?
Fetison Rakoto Andrianirina : Hetahetan’ny Malagasy tsirairay ny hiadam-pinaritra eto amin’ity tany nomen-Janahary azy ity, hianoka ara-drariny ny soa sy haren’ny firenena. Mampalahelo fa tsy mbola to izany ary fahantrana no manaikitra ny maro. Hita fa voagejan’ny matanjaka ny toe-karena ary mihalefy isan’andro ny fanantenana ny ho avy mamiratra, tsy ho antsika izao ihany fa indrindra ho an’ny taranaka. Tsy azo handrefetana ny zava-misy ny taona 2020 fotsiny satria maro ny antony nahatongavana amin’izao ary manana anjara amin’izany ny korontana ara-politika nifanesy sy ny fampanantenana tsy nisy asa nataon’ireo manam-pahefana.
TT : Te hilaza ve izany ianao fa vokatry ny fitantanana tsy mahomby nifanesy izao zava-misy mampangirifiry ny Malagasy izao ?
Fetison : Samy tompon’andraikitra isika rehetra fa ny mampalahelo indrindra dia ny tsy fahaizantsika maka lesona tamin’ny tantara, kanefa dia isika samy isika izao no tantara sy manoratra azy. Dondona sy maika ery isika maka ny fahefana kanefa tsy dia tena mbola vonona tokoa ny hitondra fiovana sy fanovana eto amin’ny firenena. Hany ka na dia tsy vaky ady aza ny samy malagasy dia difotry anaty fifampiandaniana sy fifanenjehana tsy ahitam-bokatsoa. Ireo manampahefana koa moa tsy manao ezaka hanarenana ny fahavoazana. Vokany : votsotra eo am-pelantan’ny Malagasy ny fifehezana ny hareny, ny taniny satria tsy afaka mifanome tanana sy miray hina hiarovana izany ny rehetra. Dia ho gaga ve isika raha izao no mahazo ny firenena sy ny mponina ao aminy ?
TT : Inona, raha izany, no azo antenaina manomboka amn’iny taona vaovao 2021 iny ?
Fetison : Soa fa mbola ireto isika tanora, vehivavy, lehilahy, tantsaha, mpiasam-bahoaka, manampahaizana, zokiolona, mpandraharaha miankina na tsy miankina, mpitondra na tsy mpitondra. Samy zanaky ny firenena isika ka manana adidy amin’ny fampandrosoana ity Madagasikarantsika ity. Latsaka ao anaty kizo loatra ny firenena ary tsy tambo isaina ny zava-mihatra mampiditra fahasahiranana ka tsy ho voaharina irery intsony izay ilàna firaisantsaina hiandaniana amin’ny firenena sy ny fitsinjovana ny Malagasy. Tsy vahaolana intsony ny « samy mitady » sy ny « mihevi-tena » hahavita hanarina irery ary tena fahadisoana koa ny mitazam-potsiny.
TT : Misy vahaolana ary ve avy aminao ?
Fetison : Fotoana hanetsehana ny fitiavan-tanindrazana izao ka hamaliana ny antson’ny fahasoavana amin’ny alalan’ny fampivondronana ny hevitra farafahakeliny iombonana ho fametrahana vahaolana maharitra. Antso hantefa amin’ireo zanaky ny firenena terem-panahy. Aoka tsy ho tafandry mandry.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.