Fetison Rakoto Andrianirina

> “Avelao hiasa ny Fitondrana !”


  • Zoma 28 Febroary 2014

Endrika iray hitondrana fitoniana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filohan'i Madagasikara omaly nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina.

Eo ampiandrasana ny fametrahana ny Antenimierandoholona (izay mandrafitra ny Rafitra Mpanao Lalàna), hoy izy, dia azon'ny Filoha atao tsara ny miara-miasa amin'io Governemanta misy io, rehefa avy dioviny sy hatsarainy. Hahafahany mampifandanja ny hery politika ilain'ny famarinan-toeran'ny Repoblika izany. Avelao hiasa ho amin'ny fampandrosoana amin'izay ny Fitondrana, hoy ity kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany ity. Mikasika ny resaka vondrona maro an’isa manolotra anaran’ny praiminisitra dia nilaza i Fetison Rakoto Andrianirina. Mba ho fanampiana ny filoham-pirenena dia tokony hamoaka ny anaran’ireo solombavambahoaka nanao sonia ireo vondrona misy. Tombontsoa roa no azo amin’io, hoy ity filohan’ny antoko RDS (Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy) ity dia ny fahafantarana sy ny fametrahana ara-dalàna ny vondrona parlemantera sy ny fanalana na fanesorana ireo depiote tsy manaraka ny toromariky ny vondrona araka ny voafaritry ny lalàna.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT