Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Amin’ny talata no hivoaka na tsia


  • Zoma 17 Desambra 2010

Niakatra teny Anosy omaly ihany koa ny raharaha Fetison Andrianirina omaly na dia tsy teny aza ny tenany. Raha araka ny fantatra dia mahakasika ny fangatahany fahafahana vonjimaika no votoatiny.

Nahemotra amin’ny talata 21 desambra ho avy izao izany raha araka ny vaovao azo tao amin’ny fitsarana. Raha tsiahivina dia nolavina hatrany ny fanomezana fahafahana vonjimaika an’i Fetison Andrianirina sy ireo namany roa, Zafilahy Stanislas sy Pastera Tsarahame Edouard izay tazomina ao amin’ny fonjan’Ambatolampy rehefa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanakorontanana teto an-drenivohitra rehefa nitarika ny olona haneho hevitra. Nisy fotoana izy ireo no tsy hita izay nanjavonany, indrindra nandritry ny nisehoan’ny fikomiana tao amin’ny BANI. Nentina nitsoaka tao Ambatolampy avy eo tany Fianarantsoa ary nisy fotoana nentina hatrany Vatomandry any ary taorian’izay dia niverina teto an-drenivohitra. Asa raha mba horaisin’ny fitsarana ny hetahetan’ireo mpiara-mitolona avy ao amin’ny Ankolafy Telo ny mba hamoahana an’i Fetison sy ny namany amin’ity andro fety ity mba hahafahan’ireo manao fety miaraka amin’ny fianakaviany. Ho tafita ve ny hafatra ? Amin’ny talata izany no hahafantarana an’izay... 

r.d
 
sary : Zafilahy Stanislas, Fetison Rakoto Andrianirina ary Pastera Tsarahame Edouard ao amin’ny fonjan’Ambatolampy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT