Politique

Fetison Andrianirina “Manao izay tsy itiavana azy ny Fitondrana”


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

“Manao izay tsy itiavana azy mihitsy kosa izao fitondrana izao, raha ny fahitana azy. Aiza ve koa efa mpivady no mitantana ny CENI sy Ministeran'ny Asam-panjakana no mbola homena azy ireo koa ny Fitsarana?

Na izany no atao hoe tsy fitandremana (maladroit) na koa tena fifampidiran'andraikitra mivantana (conflit d'intérêt manifeste). Mila fitoniana anie isika, handrosoana. Ekena fa zony izany, fa na izany aza!”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, filohan’ny antoko politika Roso ho amin’ny demokrasia sosialy na RDS omaly. Niteraka adihevitra hatry ny ela io, saingy tsy te hahalala izany ny Fitondram-panjakana. Tsy mipetraka intsony ny resaka etika sy deontolojia, ary tsy afaka ny hihaino sy hanitsy tena intsony ilay Fanjakana fa ny azy ihany no heveriny fa marina sy tsy maintsy ekena. Misy ny zavatra tokony hosoratana ho lalàna fa mety misy tsy mila atao lalàna akory, fa ny fahintsiana sy ny fandinihana dia efa ahafahana mandrefy sy mamoaka tsoa-kevitra hoe: izao kosa mba mety ary izao tsy mety, saingy sarotra ho an’ilay Fanjakana ankehitriny ny hanaiky izany. Toa efa tafiditra ao anatin’ilay toe-tsaina tsy refesi-mandidy ka mieritreritra fa na inona na inona ataony dia tsy misy afaka ny hikitikitika azy. Raha mitohy anefa ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra! Izay nafafy anefa no tsy maintsy hojinjaina ka tsy misy hiasa maina, ary tsy misy ho afa-maina fa manam-petra io fahefana io.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT