Politique

Fetin’ny fahaleovantena Atao isaky ny renivohi-paritany ny matso


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Notsiahivin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny kabariny omaly 13 jona ny fihenan’ny trangana valanaretina tao anatin’ny iray

 

 

 volana sy tapany. Niisa 1512 ny tranga ny 3-16 mey; 1003 ny 17-29 mey; 30 mey-12 jona 667 ny tranga. Nambara fa mitohy ny ady, ary an-dalam-pandresena isika satria nihena dia nihena hatrany amin’ny antsasany ny olona voa. Nisy ny fepetra sy ezaka, ka mila tohizana, mila mitandrina satria miditra tanteraka amin’ny ririnina, vanim-potoana mangatsiaka. Noho izany, rehefa nidinika ny andrim-panjakana 3 tonta, dia mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka, hoy i Andry Rajoelina. Amin’ny ankapobeny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro. Raha noferana ho 100 ny olona afaka mivory, dia nakarina ho 200. Miankina amin’ny habean’ny toerana anefa no ahafahana manao izany. Tsy maintsy hajaina ny elanelana sy ny fepetra. Mitohy hatrany ny “couvre-feu” manomboka amin’ny 11ora alina-04 maraina. Azo atao ny mitondra razana mivoaka sy miditra raha voamarina fa tsy voan’ny covid-19. Tsy mbola azo atao ny mitondra ny razana na mivoaka na miditra, raha matin’ny coronavirus, fa mila fanamarinan’ny mpitsabo, BMH,… Tsy maintsy alevina ny androtry ny nahafatesana, ary tsy mihoatra ny 10 ny mpandevina. Tsy mbola azo atao ny mamindra na mamoaka ivelan’ny faritrany razana efa voalevina. Mbola mikatona ny sisin-tany, saingy omena alalana manokana hamonjy faohoriana (Raiamandreny, vady, mpiray tampo, mana-manjo). Afaka misokatra ny “espace”, trano fandraisam-bahiny, fanaovana mariazy, fa tsy maintsy manaja ny fepetra. Eny anivon’ny renivohi-paritany tsirairay ihany no hanatanterahana ny matso ny 26 jona, hoy ny fanazavana momba ny fetim-pirenena.Tsy mbola voaresaka hoe hanao ahoana ny matso ho an’Antananarivo : eny Analakely tahaka ny tamin’ny herintaona ihany ve sa ao amin’ny kianja Barea. Nanentana ny olom-pirenena hanangan-tsaina i Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT