Politique

Fetin’ny 14 oktobra Tsotsotra ny hetsika tany Antsohihy


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Notanterahina tao Anahidrano tany Antsohihy omaly 14 oktobra ny fanamarihana ny faha 62 taona nijoroan'ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

 

 Tamin’io fotoana io no nanambarana tamim-pomba ofisialy fa miala amin’ny maha zanantany Frantsay i Madagasikara, fa miditra amin’ny Repoblika ao anatin’ny Firaisam-be Frantsay. Nanamarika ny lanonana omaly ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny fasan'ny Filoha Philibert Tsiranana, Rain’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Filoham-pirenena Malagasy voalohany. Nitarika sy nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina niaraka tamin'ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ireo solontenam-panjakana ao an-toerana ary ny fianakavian'ny Filoha Philibert Tsiranana. Nisy omaly ny fanapoahana afomanga tany Antsohihy nentina nanamarika ny fety sy fankalazana tany an-toerana. Tsiahivina, fa fampanantenan’ny Filoha ny hanaovana fety manetriketrika ary atao 14 oktobra ny tsy natao tamin’ny 26 jona noho ny fisian’ny valanaretina. Ambara fa voafehy sy an-dalam-pandresena ny covid-19 isika, saingy nijanona ho an’ny Filoha sy ny mpitondra ambony aloha ny lanonana tamin’ity, izay natao tsotsotra fa tsy araka ny nambara tany aloha.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT