Politique

Fetiben’ny FAT Mpitandro ny filaminana no nameno ny kianja


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Olona efa ho efapolo no voasambotra nandritry ny fetiben’ny FAT tao Mahamasina. Ny sasany sarona nanendaka, ny sasany tratra nifoka rongony, ny sasany tratra nangalatra telefaonina ary ny sasany kosa nolazaina fa saika hanakorontana.

Ny alin’iny aza dia mbola nitohy ihany izany fisamborana izany tao amin’ny boriborintany fahefatra (manodidina an’i Mahamasina) ary tonga hatrany amin’ny efapolo ny voasambotra tamin’ny alin’ny sabotsy hifoha alahady iny. Ireo azo ny alina indray dia voalaza fa saika hamaky trano no saron’ny polisy. Ny Emmo-Reg manokana indray dia olona enina no nosamboriny tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina rehefa nolazaina fa mpanakorontana. Mitovy avokoa ny ankajon’ireo olona ireo, nisy antsy (kely) iray tany amin’ny iray amin’izy ireo dia avy hatrany dia nolazaina fa «mersenera» ireo olona ireo ka nodarohina sy nentina teny amin’ny zandarin’i Fiadanana rehefa tsy nety nandray azy ireo intsony ny polisy satria efa naratra be ireo enin-dahy ireo.

Feno mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ny kianjan’i Mahamasina rehetra. Izay rehetra maherihery fihetsika dia avy hatrany dia nolazaina fa mpanakorontana ka nosamborina tsy misy hatak’andro. Efa nipetraka loatra angamba ilay hoe hisy mpanakorontana hanapoaka baomba sy mitetika ny hanimba ny fety, hany ka lasa ny mpitandro ny filaminana no saika nameno ny kianja. Ny sasany aza dia mody natao paozina mpiandry mpanjaka sy mpandihy kanefa ny basy any am-balahana ihany. Nafana ny fety teny ambony «podium» saingy ny taty amin’ny bozaka kosa toa lasa fatahorana no betsaka. Indrindra koa rehefa niseho ny fisamborana voalohany. Ekena fa mila mifety ny olona saingy mila fotoanany avokoa ny zava-drehetra. Tsy amin’izao vanim-potoan’ny maitso ahitra, ny «kere» any atsimo, ary koa ny krizy eto amin’ny firenena izao no tokony hanatontosana an’izany. Mazava ho azy raha ireny ny vokany, nangalatra ny olona noana izay nijery fety ka nahazo fahafinaretan’ny maso saingy ny kibo kosa...goaky ny hanoanana.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT