Feno 151 ankehitriny ny isan’ireo solombavam-bahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena, taorian’ny fahabangan-toerana niisa roa. Teo ny fahafatesan’Atoa Rakotomalala Lucien tamin’ny 17 jolay 2020, noho ny coronavirus.
Depiote IRD voafidy tao Morombe, Faritra Atsimo Andrefana ity. Teo koa ny nanendrena an’i Bavy Angelica Michelle ho minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Depiote IRD voafidy tao Fenoarivo Atsinanana izy, ary filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena. Araka ny andidiny faha-71 amin’ny lalampanorenana dia mametra-pialana avy hatrany tsy mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny solombavam-bahoaka voatendry ho minisitra. Namoaka didy ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana omaly manambara fa ny kandida Ediedy Adolphe, mpisolotoerana amin’ny lisitra IRD tao amin’ny fari-pifidianana Morombe no depiote mandimby an’ilay nodimandry tao Morombe, Faritra Atsimo Andrefana ; ary i Indriandro Julien, mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » ao amin’ny fari-pifidianana Fenoarivo Atsinanana no misolo an’i Bavy Angelica Michelle. Mandray ny toerana maha solombavam-bahoaka azy ihany koa i Naharimamy Irmah Lucien, araka ny didy 09-HCC/AR navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny 31 aogositra 2020. Depioten’i Madagasikara. Voafidy tao Toamasina I izy, tamin’ny lisitra « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina ». Mitsahatra araka ity didy ity ihany koa ny maha depiote mpisolo toerana an’i Justin Famindra, nandritra ny fotoana naha minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy an’i Naharimamy Irmah Lucien.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.