Politique

Fehin-kevitry ny Le Hintsy Any an-tanan-dRavalo sy Rajoelina ny P.V


  • Talata 11 Janoary 2011

Miandry ny fankatoavan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana nifanaovan’ny Ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny Tiako I Madagasikara sy ny ankolafy Rajoelina nahitana ny TGV sy UDR-Fanovana teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola hatramin’ny 21 desambra 2010 no ho mankaty ny tohin’ny raharaha.

Voarakitra ao anatin’ilay fitanana an-tsoratra avokoa na ny nifanekena na ny tsy mbola mampitovy hevitra. Ankoatra ny mpanao politika dia samy nandefa mpahay lalàna ny avy ao Ambohitsorohitra sy ny avy amin-dRamose nandrafitra io fitanana an-tsoratra io, ary omaly ihany efa tonga eny am-pelatanan’ireo lehibe mpitarika azy ireo avy dia i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izany.

Ireto farany izay nanaraka isa-minitra ny fivoaran’ny dinika teny amin’ny Le Hintsy, ka inoana fa tsy haharitra ny valin-teny miendrika fankatoavana avy amin’izy ireo. Rehefa azo izay dia miroso amin’ny dingana manaraka dia ny fandrafetana ny tena fifanarahana heverina fa fototry ny famahana ny krizy ny andaniny sy ny ankilany. Koa satria tsy mbola misy zavatra ofisialy hatreto dia miandry ny sonia vita ny Tia Tanindrazana vao hamoaka izay voarakitr’izany, hialana amin’ny fampisavorovoroana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT