Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierandolona Atoa Rivo Rakotovao ny solontenan’ireo Mpikambana ao anatin’ny FEDEP na ny Federasionin’ny gadra politika ny talata 06 oktobra.
Tato ho ato moa dia nampahatsiahy sy nitaky ny fampiharana ny lalàna sy famoahana didim-panjakana momba ny fanonerana azy izy ireo noho ny voina nihantra taminy, ary naneho fa hatry ny ela no tokony hampidirina ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, saingy tsy tenterala. Nitarika ireo Solontenan’ny FEDEP ny kolonely Behavana Jean-Baptiste mba ampahafantatra ny olana mahazo azy ireo izay mahakasika indrindra ny lalàna laharana 2016-037 momba ny fampihavanana. Ny mba ivoahan’ny didim-panjakana fampiharana io lalàna io moa no nitondran’izy ireo fitarainana sy fangatahana.“Amin’ny alalan’ny fanadinana hentitra (interpellation) ireo minisitra tompon’andraikitra araka ny andraikitry ny Antenimierandoholona voasoratra ao amin’ny Lalampanorenana no ahafahana manome tanana anareo”, hoy i Rivo Rakotovao. Nanotrona azy tamin’izany ny Loholon'i Madagasikara Thierry Raveloson Filohan'ny vondrona parlemantera HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.