Ny FAZSOI (Forces Armées de la Zone Sud de l`Ocean Indien), izay andian-tafika frantsay aty amin`ny Faritra atsimon`ny Ranomasimbe indianina dia nandray anjara tamin`ny matso lehibe teo Mahamasina omaly.
Tiana hasongadina ny fandraisana anjara amin`ireo mpitandro filaminana vahiny, hoy ny teo anivon`ny seraseran`ny Tafika Malagasy. Izy ireo dia marihana fa manao matso foana eto Madagasikara. Isan-taona dia misy ny fanazaran-tena iraisam-pirenena iarahan`ny tafika Malagasy sy ny aty amin`ny faritra ranomasimbe indianina. Rehefa vita ny fanazaran-tena dia misy matso saingy tsy mbola nisy izay teto Antananarivo. Misy fiaraha-miasa ary mandray anjara amin`ny fiarovana ny sisin-tany eto amintsika ihany koa ireo sambo avy amin`ny tafika frantsay izay mitoby ao La Réunion miaraka amin`ny sambo Malagasy mitoby any Antsiranana na Nosy-Be na Sainte-Marie ary Mahajanga. Tsy ny fandraisana anjara no olana fa ny fisehon`ilay tsindry ara-tafiky ny Frantsay aty amin`ny faritra atsimon`ny ranomasimbe indianina. Na ahoana na ahoana, dia tafika frantsay foana izy ka ny tombontsoa frantsay no arovany voalohany Dia tsy hay intsony aloha raha tena fahaleovantena izao na famerenana ny tantara fahiny e .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.