Hiavaka ny hetsika hataon’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, amin’ity taona vao miandoha ity satria dia hitety Distrika ny tenany amin’izao Asaramanitra izao hiarahaba ireo sefom-pokontany any lavitra any.
Hatramin’izay moa, araka ny voalazany, dia tsy mba misy mijery ireny sefo Fokontany ireny. Izy ireny anefa no tena miantoka ny asa, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ka izay no antony hanaovany ity hetsika ity. Ankoatra izay dia amin’io fotoana hitsidihany io koa no hizarany ny tambin-karaman’ireo sefo Fokontany ireo sisa tsy voarainy izay tokony ho nozaraina talohan’ny faran’ny taona teo fa tsy vita, ary hisy ihany koa ny nofon-kena mitam-pihavanana hatolony amin’izany ka ny herinandro miditra io no hanombohany azy. Fa mahakasika ny disadisa eo aminy sy ny Mpandrindra ny TGV Vakinankaratra dia fantatra fa dia mbola mitohy ary tsy mitsahatra mitady hirika hatrany ireto farany ny hanesorana ity lehiben’ny Faritra ity hatramin’izao. Tsy zakan’izy ireo mantsy ny hetsika ataon’ity lehiben’ny faritra ity izay toa efa manoman-tena hiatrika fifidianana sahady. Ireto farany anefa tena tsy tazana amin’ny sehatra mihitsy ka izay no tena tsy levon’ireo mpikambana amin’ny Kongresy TGV ao Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.