Politique

Faritra SOFIA Mafana ny ady tany sy olan’ny fitaterana


  • Alarobia 21 Novambra 2012

Mamita iraka eto an-drenivohitra ankehitriny ny Lehiben’ny Faritr’i SOFIA, Atoa Manambina.

 Manararaotra mihaona amin’ireo tompon’andraikitra mahefa eo amin’ny olana ady tany miseho lany any amin’iny Faritra iadidiany iny izay. Tahaka izany koa ny amin’ny resaka fitokonan’ny mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-6 farany teo izay niteraka fahavoazana be ho an’ny mponina tany an-toerana mihitsy. Mikasika ity farany aloha dia efa tafahaona tamin’ny tompon’andraikitry ny ATT ity Lehiben’ny Faritra ity, ary dia nifanaraka ny roa tonta fa hisy fampiofanana homena an’ireo solontenan’ity mpiandraikitra zotram-pitaterana ity any amin’ny Faritra mba ahazoan’izy ireo manome “licence” ho an’iza mila izany. Ity fahazoan-dalana mitatitra ity moa no fototry ny olana teo amin’ny zandary mpisava sy ireo taksibrosy mampitohy an’Ambanja amin’Antsohihy, Mandritsara, Befandriana Avaratra. Ireo zotra nasionaly tsy mahafeno olona afa-tsy mankao Antsohihy anefa miala avy aty Antananarivo dia mahazo mameno mankany Ambanja rehefa ao an-toerana.

Ny resaka ady tany dia tena zava-doza mihitsy amin’izao fiavian’ny orana ka hanombohan’ny fambolena izao, hoy Atoa Manambina. Satria samy tsy manaiky ireo mpifanandrina izay mbola misy 36 tonta ankehitriny raha efa voavaha ny 25 tonta teo aloha, dia naleo aloha nahantona ny fampiasana ireo tany hifanolanana ireo sao dia mifamono eo izy ireo. Tsy maintsy hafainganina araka izany ny fanomezana “titra” mazava izay teny tompony aorian’ny fitsarana hatao, hoy ity Lehiben’ny Faritra ity, fa ho faty mosary ny mponina raha toa ka tsy ho afaka hamboly eo. Koa manainga izay tompon’andraikitra mahefa sy voakasik’izy ity izahay, hoy izy, mba hanao laharam-pahamehana ny fijerena ity olana ity fa hiankinana ain’olona maro. Nomarihany koa fa ity ady tany ity dia tsy vao izao tsy akory no nisiany fa efa hatrany amin’ny taona 1960-1965 tany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT