Aza afangaro ny fomban-drazana sy ny raharaha politika, hoy ny raiamandreny avy any Nosy varika, faritr’i Vatovavy fitovinany, Paul Ramandimbison, manoloana ny resabe mikasika ny faritra faha 23. Manana soatoavina manokana ny Tangalamena, hoy izy.
Ny sarisary mandeha ankehitriny moa raha tsiahivina dia ny hoe mitambatra Ifanadiana, Nosy varika, Mananjary. Manakara, Ikongo, Vohipeno koa mitambatra. Namorona moa kosa dia mifandray amin’i Manakara. Tsiahivina anefa fa efa nisy nitonona ho olobe avy ao Ikongo sy Mananjary koa nanao fanambarana fa mitsipaka izay tsy fampiarahana an’Ikongo sy Mananjary, izay renivohitr’i Vatovavy, izay. Mifamatotra ara-tantara sy fomban-drazana ny roa tonta ary samy Tanala. Isan’ny fanontaniana mipetraka mandeha ankehitriny ny hoe maninona raha ny distrikan’i Manakara izay manana kaominina miisa 52 no zaraina roa hamoahana ilay faritra faha 23 ? Miha sarotra ny raharaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.