Politique

Faritra Alaotra Hamafa ny dian-dRavalo i Rajoelina ?


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Raha tsy misy ny fiovana, hiazo ny faritra Alaotra-Mangoro ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ity herinandro ity. Manomboka rahampitso talata 10 mey, raha ny vaovao tsy ofisialy.

Tsy tongatonga ho azy ity programa ity raha hotanteraka tokoa satria heverina fa tsy levon’ny vavonin’ny Filoha sy ny ekipany ny fahombiazan’ny fameloma-maso nataon’ny Antoko TIM herinandro mahery izay. Rakotra vahoaka na tsy nisy fitondrana artista malaza hoentina hisintonana ny vahoaka ho vory aza. Nasehon’ny TIM fa tokontaniny ary ananany vahoaka maro mpifidy hatrany ny faritra Alaotra Mangoro, izay iray amin’ireo 9 nahazoan’i Marc Ravalomanana vato betsaka tamin’ny fifidianana 2018. Tsy levon’ny vavonin’ny volomboasary izany, ary ezahina ny hamafa sy hanindry ny fahazakan’ny TIM vahoaka. Mazava fa mety hampiasaina indray ny vola sy ny fahefam-panjakana amin’ny dia izay hanindriana ny TIM. Toe-javatra efa niseho tany Diego io satria taorian’ny fameloma-maso nataon’ny TIM izay natao tany an-toerana, dia iny nanao hetsika namory vahoaka, nanambitamby ankolaka ny olona tamin’ny alalan’ny famonoana omby 25 ny sabotsy lasa teo. Raha nosakantsakanana ny TIM, afaka namory vahoaka sy nanao diabe ny TGV tany an-toerana. Miezaka mamono sy mamafa ny fahombiazan’ny hafa, izay efa endriky ny tahotra ara-politika amin’ny fifidianana, rehefa zohiana. Na ny Faritra Menabe izay nandehan’ny Filoha herinandro mahery izay, nanaovana fampisehoana, nisintonana ny vahoaka tamin’ny alalan’ny Kopikoleany nampitenenina imasom-bahoaka, na ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, dia samy toerana nahazoan’i Marc Ravalomanana vato betsaka, nandreseny ny Filoha am-perin’asa avokoa tamin’ny fifidianana. Mety ho henjana ny fifanandrinana amin’ny 2023, ka dia mikofokofoka mafy ny ekipan’ny volomboasary.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT