Politique

Fanovana governemanta Tsipahin’ny TGV ny fampidirana mpanohitra


  • Talata 22 Febroary 2022

Samy miandry izay ho fanapahan-kevitra momba ny governemanta ato ho ato isika, izay re fa rahampitso zoma 23 febroary 2023 izay mifanandrify amin’ny filankevitry ny minisitra isaky ny alarobia no mety hisian’izany,

 raha tsy misy ny fiovana. Efa nilaza ny mpanohitra tamin’ny alalan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) amin’ny tokony handravana ny governemanta ankehitriny. Nilaza ihany koa ny Filohan’ny Vondrona parlemantera TIM fa vonona amin’ny fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” ny depiote TIM, ary na ireo depiote IRD sasany miresaka sy mifanakalo hevitra amin’izy ireo aza no miombon-kevitra fa tsy mahavita azy ny governemanta. Naneho hevitra kosa ny Sekretera nasionalin’ny Antoko TGV (Tanora Gasy Vonona) sady Governoran’Analamanga Atoa Hery Rasoamaromaka. Niaiky ny tenany fa fanovana governemanta mihitsy no ilaina fa, fa tsy famenoana ny toerana banga. Anjaran’ny Filoha sy ny Praiminisitra kosa no manapaka ny fotoana hanaovana izay. “Tokony hesorina amin’ny toerany na mahatsapa tena mametra-pialana ny Minisitra na izahay governora tsy nahavita ny asany”, hoy izy. Nambarany fa toerana politika ny maha minisitra. Ny tanjona, rehefa apetraka eo dia misy iraka apetraky ny Filoha sy ny vahoaka, ka tsy maintsy vita ny mamono baolina, tsy maintsy tanterahina ny velirano. Na “cerveau” io na inona rehefa mendrika apetraka eo, dia manana lalan-tsaina hoe tsy nianatra fotsny, fa eo ihany koa ny fiseharana amin’ny politika satria toerana politika io”, hoy i Hery Rasoamaromaka. Tsara ny manamarika, fa nialohan’ny fanovana governamanta ny 15 aogositra 2021, dia nilaza ity Sekretera nasionalin’ny TGV ity, fa tsy tahaka izao ny fandrosoana raha TGV daholo no natao minisitra.
MITSIPAKA NY FAMPIDIRANA NY MPANOHITRA
Nilaza i Hery Rasoamaromaka fa ny olona tokony hitantana ny firenena dia olona tokony hitovy fijery aloha. Rehefa tsy mety aminao ny velirano dia tsy tokony hiara-hitantana, hoy izy. “Raha hapiditra mpanohitra ao anatin’ny fitondrana, ohatra, dia tsy hitondra ny hevitry ny mpanohitra intsony ve fa hanaraka ny hevitry ny Filoha satria te hitazona ny toerana maha minisitra azy. Avelao ny mpanohitra hijanona amin’ny maha mpanohitra azy, afaka mametraka arofanina ny Fanjakana, ary henoinay. Raha olona tsy mitovy hevitra; vao mainka hifanipaka ohatry valala an-karona. Ny atahorana rehefa tafiditra ao dia hifanilika, fa izao raha misy ny tsy fahombiazana dia izahay ekipa miaraka ny Filoha no mizaka azy”, hoy ny Sekretera nasionalin’ny TGV. Namporisika an’i Andry Rajoelina mbola hilatsaka amin’ny 2023 ka tsy hanao fampanantenana intsony, fa hitanisa ny zava-bita, hoy hatrany i Hery Rasomaromaka. Maniry hiditra ao anaty governemanta ve ny mpanohitra izay nilaza fa tokony horavana ny governemanta, ka miezaka ny mitsipaka izany ny TGV? Efa nilaza ve ny mpanohitra fa maniry ho ao anaty governemanta ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT