Politique

Fanovana governemanta Misavoritaka ambony ambany ny mpitondra


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Mangotraka ny adivarotra politika, ary misavoritaka ny etamazaoro politikan’ny mpitondra ao anatin’ny raharaha fanovana ny governemanta.

Ny sabotsy teo no efa nandrasana ny fanovana, saingy tsy mbola tanteraka hatry ny omaly. Nanova ny mety ho paipaika ara-politika ny fanambarana nataon’ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo izay nanambara ny zoma 11 martsa teo, fa tsy handray anjara amin’ny governemanta manaraka eo. Voalaza fa isan’ny nanafaingana ny fanapahan-kevitry ny Filoha hanao fanovana minisitra ny toe-draharaha mahakasika ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Tinoka Roberto momba ny valisy misy kodiarana sy solosaina tsy atao entana enti-tànana. Niteraka fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny Fanjakana iray manontolo noho ny kiana fa olona tsy mahafehy ny asa sy ilay sehatra no napetraka amin’ny toerana. Nivoaka ihany koa anefa tetsy andaniny, fa najoboky ny Minisitry ny fizahantany JoÖL Randriandramandranto mba ho afa-baraka. Nivadika any amin’ny resa-poko sy fihaviana ny raharaha ka sesilany ny fanambarana avy amin’ireo Fikambanana sy mpanao politika avy any amin’ny faritra Atsimo manohana sy manao tsindry ankolaka ny hitazonana an’i Tinoka Roberto ao anaty Governemanta. Ambara mantsy fa angady nanana sy vy nahitana ny vaton-dRajoelina tany Atsimo tamin’ny fifidianana 2018 ity Minisitra ity. Ny fahafaham-baraka efa nivoaka, ny fanasokajiana ilay Fanjakana ho “incompétant” na tsy mahafehy ny asany sy “sans qualité” na tsisy kalitao efa nirarakopana, kanefa ny vatom-pifidianana ihany koa tsy maintsy kajiana raha mbola mieritreritra ny fifidianana 2023. Etsy andaniny, hanao ahoana ihany koa ny momba ny minisitry ny fizahantany izay voatondro ho nanao mpamosavy malemy namely ny namana tao anatin’ny governemanta satria izy no voalaza fa niaingan’ilay fepetra hafahafa, saingy mody izy indray no namorika ny Minisitra namany? Ity minisitry ny fizahantany ity izay malaza ho olona tena akaiky ny mpandraharaha goavana mpanefoefo eto amin’ny firenena.
JENERALY NO HATAO PRAIMINISITRA ?
Ambony ny tsindry ara-politika mahazo ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Na ny serasera nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny alarobia 09 martsa aza hafahafa satria nolazaina fa hanao tombana na « évaluation» kanefa efa nolazaina sahady fa « hisy minisitra minisitra vitsivitsy hoesorina », ary nisaorana ireo mpikamban’ny governemanta. Adin’ny iray taty aoriana, dia notsoahana ilay hoe hisy minisitra vitsivitsy hoesorina. Mangotraka ny adihevitra, sarotra ny fandidiana satria misy fiovana eny am-pandehanana ny adihevitra. Ny herinandro lasa teo, voasokajy ho isan’ny tsy ho voakitika ny Praiminisitra, saingy tato anatin’ny 48 ora, dia voalaza fa mety hoesorina indray Atoa Ntsay Christian. Manamboninahitra ambony jeneraly no voalaza fa mety hasolo ny toerany, ary efa misy anarana mandehandeha any. Mbola adihevitra goavana ihany koa io anefa io hoe : ho mora ve ny hanilika an’i Ntsay Christian izay efa tsy levon’ny vaonin’ny TGV-MAPAR sasany hatrizay. Ambony ambany ny Fanjakana, ny fiaraha-miasa efa tsy mety kanefa izay esorina mandrahona hanohitra sy hamoaka tsiambaratelo. Mbola baraingo ihany koa ny hoe: tena manana ny fahefana feno ve i Andry Rajoelina amin’ny fanapahan-kevitra sa mbola misy mena ambonin’ny mena manao tsindry ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT