Politique

Fanovana Governemanta Fanilihana ny Pr Ahmad no tena tanjona…


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Rehefa tena dinihina dia fanilihana ny Pr Ahmad Ahmad no tena tanjona tamin’ny fikitihina ny governemanta omaly.

 

 

 Zavatra tsy maintsy natao ny fanoloana ny Minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah, izay hanorim-ponenana miaraka amin’ny andefimandriny any Etazonia. Ny Minisiteran’ny fanabeazana sy ny Minisiteran’ny fampianarana teknika dia lojika ny fanendrena satria tsy misy olona eo amin’ilay andraikitra. Ny fanesorana ny Pr Ahmad Ahmad kosa no tena misy lanjany goavana eo amin’ny fanapahan-kevitra. Isan’ny nanenjehana azy mafy ny fivoahan’ilay taratasy fangataham-bola tamin’ny mpiara-miombon’antoka ny 20 jolay, ka nanaovana tambabe ity Minisitra ity. Tena niasa amin’ny maha teknisianina sy mpitsabo azy fa tsy nieritreritra politika sy fikafika, ka mety tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra. Nitodika betsaka tany aminy anefa ny fanohanan’ny sarambabem-bahoaka, ary maro no tsy nankasitraka ny fanesorana azy. Matoa rahateo izy tafiditra tao dia manana ny maha izy azy. Marihina ihany koa fa ny volana mey no voafidy ho mpikamban’ny Filankevitra mpanatanteraky ny OMS mandritra ny 3 taona ny Pr Ahmad Ahmad. Sesilany ihany koa ny fanampiana iraisam-pirenena azon’I Madagasikara taorian’ny taratasy fangatahana nataony na nenjehina aza. Ny tsikaritra, dia tsy nirona sy tsy niresaka firy ny tambavy CVO ny Minisitry fahasalamana teo aloha, ary ny antontan-kevitra mirakitra ny fomba fitsaboana ofisialy ny covid-19 navoakan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka aza tsy misy CVO izany velively.

 

MINISITRA VAOVAO MIISA 4

Ny Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao no nasolo ny Pr Ahmad Ahmad; Rtoa Michelle Bavy Angelica izay solombavambahoaka sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’i Toamasina no nisolo an-dRtoa Naharimamy Irmah. Naverina ho minisitera roa kosa ny fanabeazam-pirenena ankilany ary ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa andaniny, ka voatendry ho Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rtoa Marie Michelle Sahondrarimalala, izay Tale nisahana ny lafiny lalàna teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa vao notendrena kosa Atoa Ernest Tsikeliankina. Voatazona amin’ny toerany ny Minisitry atitany Atoa Tianarivelo Razafimahefa izay naneho tamin’ireny fanenjehana azy momba ny raharaha “écran plat” ireny, fa akaiky ny fanovana governemanta, ka izay no antony hamotehana azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT