Politique

Fanovana governemanta Andrasana aorian’ny fiverenan’ny Filoha


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Any amin’ny fivoriana iraisampirenena any Eoropa moa amin’izao fotoana izao ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.

Isan’ireo mpitondra fanjakana manatrika ny fihaonana an-tampon’ny vondrona eoropeanina sy afrikanina andiany faha 6 ao Bruxelles, Belzika, ny tenany, raha ny fampitam-baovao voaray. Manomboka anio 17 sy rahampitso 18 febroary no hanatontosana ity fihaonana an-tampony ity ary azo fintinina amin’ny hoe fifampidinihana mikasika ny fifanakalozana eo amin’ny kaontinanta roa tonta hatrany moa no votoatin’ny dinika amin’izany. Eo ny lafiny diplaomatika fa eo indrindra koa ny lafiny toekarena izay mametraka fanahiana ara-politika goavana na hoe “enjeux politique” hatrany mikasika ireo harem-pirenena aty Afrika. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa etsy ankilan’izay dia andrasana ao aorian’io dian’ny filoham-pirenena any Bruxelles io izany ny fanovana ny governemanta satria dia efa tapitra indray ny fe-potoana 6 volana heverina fa nanaovana ny tombana momba ireo mpikamban’ny governemanta amin’ny endriny ankehitriny. Tsikaritra ho mamaivay rahateo amin’izao fotoana izao ny fanakianana mahazo ireo mpikamban’ny governemanta ary tsy miafina io fa miharihary ho hita manao izany daholo na ireo ivelany fitondrana na ny ao anatiny. Isan’ireo nampaneno lakolosy ny amin’ny tokony hitakiana ny fandravana manontolo ny governemanta ny mpandinika fiarahamonina, Soalihy Moussa, izay mitonona ho mpanohana ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, andaniny. Nitaky izany koa ny depiote Todisoa Andriamapandry, izay solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara tao amin’ny boriboritany faha 6, ankilany. Nialoha ireo koa, izay mampisavorovoro ny fitondrana ankehitriny, ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay voalaza ho tsy mankato ny fomba fiasan’ny governemanta amin’izao endriny izao mihitsy ary dia iny nampanantsoin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana hanome fanazavana momba izany fihetsiny izany mihitsy moa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT