Efa iny niaraha-nahalala iny ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra nampiantso fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta roa tonta manomboka ny 4 martsa izao.
Fankatoavana ireo fanapahana miisa 9 nolaniany tamin’ny didy hitsivolana fony tsy nisy antenimieram-pirenena no antony. Taorian’ny fitorian’Atoa Rivo Rakotovao filohan’ny antenimierandoholona, dia tsiahivina fa nilatsaka ny didin’ny HCC n°04-HCC/D3 ny 5 febroary teo, fa tsy maintsy hankatoavina amin’ny fivoriana manaraky ny parlemanta ireo làlana ireo. Mazava izany, fa afaka miandry fivoriana ara-potoana manaraka io. Efa ny 5 febroary rahateo ny fanapahana navoakan’ny HCC, saingy tsy taitra amin’ny fiantsoana fivoriana ara-potoana ny governemanta. Tampoka teo dia nisy io fanapahan-kevitra io. Tena fankatoavana lalàna tokoa ve no anton’ilay fivoriana sa misy tanjona hafa ? Tsiahivina fa nisy ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ny depiote teny Iavoloha ny 8 janoary, izay tsy mety loatra raha ny lalàna satria tokony ho taratasy hifanaovana no hifampiresahan’ny roa tonta, raha ny mikasika ny raharaham-panjakana. Fanajana ny fisaraham-pahefana izay, saingy noboriboriana tamin’ny hoe fihaonana noho ny asaramanitra. Nisy anefa avy eo ny toromarika avy amin’ny filoha, toa nanome baiko ny depiote hoe: amboary ny fitsipika anatinareo. Tamin’ireny fotoana ireny no efa nalaza ny fanovana governemanta. Araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana dia ny antoko na vondrona antoko manana ny maro an’isa ao amin’ny lalàmpanorenana. Afaka manao fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra sy ny governemanta ihany koa anefa ny antenimieram-pirenena. Efa nandeha ny resaka fa nisy fanangonan-tsonia nandeha tao Tsimbazaza momba ny fanonganana ny praiminisitra, ary nisy antontan’isa nivoaka mihitsy fa efa tonga 71. Nandiso izany moa ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Nangina iny resaka iny, saingy ahiana indray ny hiverenany. 2/3 no ilaina raha hanao izay fitsipaham-pitokisana izay, izany hoe mila sonia 106. Ahiana hifoha indray io resaka io. Ny samy ao anaty fanjakana ihany no mety hifamely amin’io. Raha ny zavatra tsikaritra hatramin’izay, ohatra, dia misy minisitra lehibena antoko saika hita foana niara-dia tamin’ny praiminisitra, saingy tsy hita tato ho ato. Ny tsikaritra tato ho ato ihany koa dia tsy dia nihenjana ny praiminisitra, raha tsapa ho nahery fiteny teo aloha. Fifandrifian-javatra sa misy ifandraisany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.