Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Nataon’ny Kly Charles vaky bantsilana


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Ny marina tsy mba maty. Omaly no nilaza ampahahibemaso ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009 ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles.

Ela no niandrasan’ny maro izany ka tonga ihany. Tontosa ihany koa mantsy ny fampifanatrehana ny jeneraly Ndriarijaona André sy ireo manamboninahitra telo voakasika mivantana tamin’ny raharaha BANI, dia ny jeneraly isany Raoelina Heriniaina sy Rakotonandrasana Noël, ary ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles.

Tamin’ny 9 ora no tonga teny Anosy ny fiara nitondra ireo voafonja eny Tsiafahy. Antsasak’adiny taorian’io kosa no tonga ny fiara nitondra ny Cemgam niaraka amin’ireo mpiambina azy. Nialoha ny fampifanatrehana azy ireo dia nanao fanambarana tamin’ireo haino aman-jery tonga teny an-toerana ny lietna-kolonely Charles.
Basy atifi-kavana ny an’ity farany ny nilazany tao an-dalatsara hiditra any amin’ny biraon’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana fa «nanao fanonganam-panjakana in-droa izahay sy Rajoelina tamin’ny 2009. Ny 8 marsa nanongana ny mpitondra teo aloha ary ny 17 marsa kosa nanongana ny fitondrana miaramila. Vola amina miliara no nanaovana izany ary nisy teratany vahiny, miaramila ary mpanao politika namatsy io vola io. Ohatra tamin’izany ny nanomezana ahy vola 20 tapitrisa ariary ny 8 marsa 2009».
 
Manoatra noho ny baomba no fivoakan’ny fanambarany. Mikasika ny anaran’ireo olona nanome vola ireo dia nanambara izy fa mbola ho lazainy amin’ny manaraka izany. Noho ity fanambarana nataon’i lietna-Kolonely Charles ity dia nikoropaka ny teny Ambohitsorohitra ka omaly ihany dia efa namorona hetsika entina hanantsoina mpanao gazety ny filohan’ny FAT. Dia ny famoriana ireo mpandraharaha mikasika ny vary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy saingy tsy mitsahatra niaka-bidy hatramin’ny fiandohan’ny volana desambra 2010. Na izany aza dia ho sarotra ho azy ihany anefa ny hamono ny tantara satria tsy ho eo amin’ny fitondrana mandrakizay ny FAT. Nilaza ihany koa ny mpanao ny fanamabrana fa manana ny porofo rehetra hilaza ny marina mikasika iny tranga teto amin’ny firenena tamin’ny 2009 iny.
 
«Nandray vola koa i Monja Roindefo»
 
Niharihary tsy takona nafenina intsony ny zava-nitranga tamin’ny martsa 2009 tamin’ity fanambaràn’ny Kolonely Charles tetsy Anosy omaly ity. Nahitsy ny resaka. «Nandray vola aho, amina miliara ny totalin’izany. Nandray vola ihany koa i Monja Roindefo» raha araka ny fanazavany hatrany. Mazava izany fa fanonganam-panjakana tanteraka no notanterahin’izy sy i Andry Rajoelina. Ny tompon’antoka voalohany no nanao vaky bantsilana fa fanonganam-panjakana no niseho tamin’ny martsa 2009. Nilaza ny hanao vaky bantsilana hafa ihany koa izy momba iny raharaha iny ary andrasan’ny maro fatratra izany satria hisy akony lehibe amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Mety hanetsika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena indray mantsy ny toe-javatra toa ireny ka hahafeno ny fitadiavan’ireo porofo fa fanonganam-panjakana tokoa no niseho ka hahafahan’ireo manamarina ny fidirany an-tsehatra amin’izay. Na izany na tsy izany dia afa-baraka tanteraka ny FAT hatramin’ny omaly. Ny olony izay milaza hatrany fa ny vahoaka no nanàla ny Filoha Ravalomanana teo amin’ny toerany dia ho afa-baraka tanteraka satria efa ny tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fanonganam-panjakana izao no manome porofo. Mbola nampiany aza fa noho ny tsy nanantaterahan’i Andry Rajoelina ny fifanarahana tamin’ireo mpanongam-panjakana no antony nikasan’ireo manamboninahitra maromaro hanongana ny FAT. Afa-baraka tanteraka...
 
r.d sy Rakoto Maxime
 
Famelàna ny Kly Charles hiteny
Tompon’antoka tamin’ny fivoahan’ny marina ny mpiandry fonja. Raha araka ny lalana manan-kery dia tsy afaka mifanerasera amin’ny hafa ny voafonja iray rehefa entina eny amin’ny fitsarana. Omaly anefa dia navelan’ireo mpiandro fonja tanteraka ny nanao fanehoan-kevitra ny Lt-Kly Charles Andrianasoavina. Manazava izany fa nandray andraikitra koa ireo mpiandry fonja mba hivoahan’ny tena marina. Tsy noraharahain’ireo intsony izay mety sazy hiantraika amin’ireo satria tiany hivoaka ny marina.
 
Sary : Nandritra ny fanambarana nataon’ny Lietnà-Kolonely Andrianasoavina Charles

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT