Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Ireo tsara ho fantatra rehetra !


  • Zoma 07 Janoary 2011

Dia mbola averina eto indray ilay hoe : ny lasa tsy fanadino, efa hatramin’ny volana febroary 2009 no niparitaka teto an-drenivohitra ny resaka ary nambaran’ilay onjampeo akaiky ny fitondrana tamin’izany fotoana fa manomana fanonganam-panjakana mihitsy ary manana mpanohana sy mpamatsy vola i Andry Rajoelina.

Natao hanaronana izany fotsiny ny niantsoana ny olona ho eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai sy nanokanana ny kianjan’ny demokrasia teo Ambohijatovo, mba hahafahana miteny aty aoriana fa hetahetam-bahoaka mitaky fiovana no nisy, ary dia nametra-pialana ny filoha teo aloha. Taorian’iny fanambarana lehibe nataon’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina ny alarobia 05 janoary 2011 lasa teo iny anefa dia voaporofo fa tena marina ilay fanonganam-panjakana ary vola be no naparitaka tamin’izany hanakaramana ireo manamboninahitra sy miaramila, ka voalohany tamin’izany ny tao amin’ny CAPSAT Soanierana. Sinema ny ankoatr’izay, tsy nisy mihitsy ny hoe : fikasan’ny mpiambina manokana an’i Marc Ravalomanana na ny GP hanafika ny CAPSAT, fa feo niniana naparitaka ireny mba hahafahan’ny miaramila nitoby tao Soanierana mivoaka miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ka hanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina.

Ny miaramila rahateo tsy mahare ny vaovao rehetra rehefa ao anatin’ny toby, fa izay ambaran’ny lehibeny mivantana ihany no fantany ; ka nitarika io fikomiana io rehefa avy nahazo vola be araka ny vaky bantsilana nataon’ny lietna-kolonely Charles iny, ka nilazany fa nomena 20 tapitrisa ariary izy tamin’ny 08 martsa 2009. Tsaroana eto ihany koa ilay fiara Golf nitatitra ny vola nomena ny mpanongam-panjakana ny 08 martsa 2009, ka raha araka ny vaovao nivoaka tamin’izany fotoana dia niainga tany Ambatobe tany izy io dia nandalo tany Andravoahangy ary nitodi-doha teny Soanierana. Ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina moa efa niteny, ary milaza ny mbola hiteny ny mikasika ny raharaha 2009 manontolo. Izy rahateo tsara toerana raha hanao ampamoaka momba izany, noho izy isan’ny lohalaharana tamin’ireny fotoana ireny.

Midika io fa misy porofo maro be momba iny fanonganam-panjakana iny. Nanomboka ny 10 martsa 2009, izany hoe herinandro mialohan’ny nirodanan’ny fitondrana Ravalomanana, dia nanaterana sakafo isan’andro ireo miaramila teny Soanierana, satria voalaza fa nataon’ny fanjakana tamin’izany antsojay hono, ka Atoa Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy no niantoka ny lany rehetra tamin’izany niaraka tamin’ireo lazaina fa hoe olona tsara sitra-po. Ary nanomboka teo ihany koa dia nisy miaramila mitam-basy niambina ireo orinasa nanohana an’i Andry Rajoelina, ary efa tsy niafina intsony ihany koa ireo miaramila niambina azy teny an-kianja sy tany an-tranony. Mbola afaka hanaporofoana ireo rehetra ireo ny nambaran’ny amiraly Ratsiraka tamin’ny Maputo II fa tao ambadik’iny fanonganam-panjakana teto Madagasikara iny izy, ary nisy miaramilany nandray anjara tamin’izany. Mikasika ireo mpanohana vahiny indray dia efa nibaribary hatry ny ela fa nisy Frantsay sy teratany Karana izy ireo.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT