Politique

Fanomezana ny praograman’ny filoham-pirenena Asa na hitohy na serasera manjelatra indray


  • Zoma 29 Aprily 2022

Asa na hitohy na serasera manjelatra hambaboana ny fon’ny mpanara-baovao indray ny fanomezana ny praograman’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay hita ho niatomboka omaly.

Isan’ny fanontaniana mipetraka koa nefa ny hoe fomba fiasa vaovao ve? Fiatombohana amin’ny fidirana amin’ny fangaraharaham-pitantanana noho ny kiana maro mikasika izany avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena ve sa sehoseho toy ny fanambarana am-pahibemaso ny ho fisiana fihaonana amin’ireo mpanao gazety tsy anavahana firehana isam-bolana nefa tsy hita hatramin’izao hoe aiza ihany? Miandry izay ho tohiny ny rehetra fa raha ny mikasika ny anio aloha dia voarakitra anatin’ny diary fa hihaona amin’ny vondron’ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ny tenany amin’ny 10 ora maraina. Any Antsirabe kosa izy amin’ny 3 ora tolakandro mitokana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera. Rahampitso sabotsy dia ao Morondava no fotoana hitokanany ny hopitaly vaovao ao an-toerana manomboka amin’ny 9 ora sy sasany. Mitohy amin’ny fitsidihana ny trano fatoriana ao amin’ny fonenan’ny mpianatra na Campus ao Menabe izany. Isany koa ny fitokanana ireo lalana sy tobim-pamatsiana angovo amin’ny herin’ny masoandro. Ny alahady 1 may kosa ao Miandrivazo indray no fotoana manomboka amin’ny 9 ora maraina hitokana ny sampana fanampin’ny katedraly na “cathedrale” St Joseph”. Ho hita eo indray ny tohiny amin’ny alatsinainy. J
. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT