Politique

Fanomezana alalana Nanaraka ho azy ny ministeran’ny atitany


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Resa-be hatrany ny momba ny fanomezan-dalana ny Ankolafy Telo mba hanao fanehoan-kevitra ankalamanjana.

Nifanohitra hatrany ihany koa ny hevitr’ireo andrim-panjakana izay saika nifandipatra hatrany ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo. Raha tsiahivina dia nanome alalana ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ary notsipahin’ny Prefen’ny polisy tampoka izany satria tao anatin’ny fotoam-pifidianana. Farany teo indray dia neken’ny avy eo amin’ny Préfecture ny fangatahana fanomezana alalana izay efa neken’ny PDS rahateo. Noraisin’ny mpanara-baovao ho fanoherana ny baikon’ny praiministry ny FAT, Camille Vital izay nandrara ny famoriam-bahoaka ato ho ato izany, na ny marimarina kokoa mandra-pivoakan’ny voka-pifidianana ofisialy sy ny fidirana amin’ny Repoblika faha-4.

Niakatra teny anivon’ny ministeran’ny Atitany ny raharaha ary ny niafarany dia (voatery) niditra an-tsehatra tamin’ny RNM ny ministra dia nitondra fanazavana. Nambarany fa mba hisian’ny fitoniana, ny mba tsy hanembantsembanana ny hafa ary koa mba ho fanajana ny fanehoan-kevitry ny hafa (rehefa tsy misy korontana fotsiny) no antony naneken’ny ministeran’ny Atitany hanome alalana ny Ankolafy Telo. Mazava izany fa efa manomboka miray hevitra tsikelikely ny andrim-panjakan’ny FAT ny amin’ny hanomezana alalana ny olona mba haneho hevitra. Ary toa efa tsy dia misy fanajana ny arofenitra intsony aza ireo amin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra. Efa mikorontana ambony ambany rahateo izany arofenitra izany, hany ka samy mandray ny fanapahan-keviny araka izay tandrifiny ireo andry tsirairay. Efa samy manomboka mahatsapa fa tsy azo tampenam-bava ny vahoaka...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT