Politique

Fanomezan-tsiny ny hafa Tandra-vadin-koditry ny fitondrana ankehitriny


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Hita ho efa tandra-vadin-koditry ny fitondrana ankehitriny ny fanomezan-tsiny ny hafa, indrindra, fa ny fitondrana teo alohany.

Taitra ny maro raha nahita ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo fa mizaka ny tsy fahombiazan’ireo fitondrana teo alohany rehetra ny tenany. Mbola nahagaga ihany koa ny famerenany indray nilaza fa mitana ny teny nomeny hatrany izy ary tsy mivadika amin’ny fampanantenana nataony. Velona ny fanontanian’ny maro. Iza moa no nitondra fahapotehana orinasa maro namelona fianakaviana an’alin-kisa ny taona 2009 ka nampitotongana ny toekarena teto amin’ny firenena indray raha toa efa niakatra naherin’ny 7% tamin’izany fotoana ny harin-karem-pirenena? Efa nisy harinkarena tafidina hatrany amin’izany miiba na -7% izany ve nandritry ny fitondran’ireo hafa teo aloha rehetra? Efa nisy mpampianatra mpikaroka nijaly sy nitanika masoandro nilahatra karama teny amin’ny paositra izany ve tamin’izany na mpianatry ny oniversite milahatra vatsim-pianarana manomboka amin’ny 3 maraina na koa amin’ny 8 na 9 na 10 ora alina mbola tsy mahazo vatsim-pianarana ihany? Aiza ho aiza izao ny taham-pampidirana an-tsekoly ny zaza Malagasy? Nisy ve izao krizy tsy mety voavaha izao raha toa ka tsy nisy ny hetsika notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny taona 2009 izay notohizany sy ny ekipany tamina tetezamita naharitra 5 taona sy ny taorian’izay rehetra? Aiza daholo tokoa ary ireo fampanantenana tamin’izany toy ny litatrana menaka 2500 ariary sy ny kapoakam-bary 500 ariary? Aiza ny Tanamasoandro, ny Miami, ny Tramway sy ny fampanantenana rehetra hatramin’izay? Mbola maro ankoatran’ireo ny fanontaniana tian’ny mpanara-baovao apetraka saingy voafetra ihany moa ny pejin’ny gazety.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT