Politique

Fanomezan-dalana hamory vahoaka Tsy te ho tratra farany ingahy Préfet


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Nanamafy ny praiministry ny FAT, Camille Vital, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana ny valim-pifidianana fitsapan-kevi-bahoaka ny alatsinainy teo fa mihantona avokoa ny fanomezan-dalana famoriam-bahoaka satria ilana filaminana ny firosoana amin’ny Repoblika faha-4.

Ny harivan’io ihany anefa dia nandefa taratasy tamin’ny Ankolafy Telo ny prefektora sy vondron’ny mpitandro filaminana na OMC manome azy ireo alalana hanatontosany fanehoan-kevitra ankalalahana ao amin’ny kianjan’Alarobia mandritra ity tontolo andro ity. Fanapahan-kevitra mifanipaka tanteraka amin’ny tenin’ny jeneraly Vital noho izany no noraisin’ireto tomponandraikitra voalohan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra ireto izay mampametra-panontaniana raha tsy to teny intsony ny lehiben’ny governemanta matoa tsy misy manatanteraka ny baikony. Tsy vao izao io fa nitranga koa izany tamin’ny fikasan’i Monja Roindefo hamory vahoaka teto an-drenivohitra ny fiandohan’ny volana novambra lasa iny. Azo heverina fa samy miaro ny rambony tsy ho tapaka, ary mitsinjo lavitra ny manampahefana sasany.

Sao mantsy misy fivadihan-javatra ka miova ny mpitondra dia aleo tsy maka fahavalo. Fa kasa koa anefa ny saina sao efa misy resaka mandeha any ambadika any fa olon-kafa mihitsy no hiasa ao amin’ny lapan’i Mahazoarivo ao anatin’izao fanovana ny governemanta izao ka tsy hanan-kery intsony ny tenin’ilay tomponandraikitra ambony izay handao ny toerany afaka andro vitsy. Raha mikatsaka ny hampitony ny toe-draharaham-pirenena tokoa mantsy dia tokony halalaka ny fanehoan-kevitra. Raha ny fahitana ny fanambaran’i Camille Vital ny alatsinainy teo anefa dia matoky tena izy fa mbola hitazona ny toeran’ny praiministra. Nanambara mantsy izy fa efa misy ireo “CV” voarain’ny ekipany izay nalefan’ireo olona maniry hotendrena ministra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT