Politique

Fanomanana ny fiverenan-dRavalo Mihetsiketsika fatratra ny ao Bel’Air


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Efa miomana fatratra amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ny vaomieran’ny fanentanana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ahitana an-dRanaivorazo Feno, mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita.

 Taorian’ny fandalovan’ireo iraky ny SADC sy ny Troika teto dia manana fanantenana ny hivalian’ny fitakiana sy ny tolony nataony izy ireo ka anisan’ireny ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, izay nambaran’izy ireo fa efa propagandy vita tsy mila hihazakazahana intsony noho ny fahatsapan’ny vahoaka ny soa vitan’ity filoham-pirenena iray ity teto amin’ny firenena raha tsy hilaza afa-tsy ny asa fampandrosoana fotsiny. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana, araka ny nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita ity ihany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay hahafahana miatrika araka ny tokony ho izy ny adidy sy ny andraikitra miandry ny tsirairay avy aoriana ao. Ankoatra izay dia nambaran-dRanaivorazo ihany koa fa efa miomana amin’ny fiarovana ny fanjakana hatsangan’ny filoha Ravalomanana atsy ho atsy izy ireo mba hahafahana tena mampandroso ny firenena marina.

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT