Politique

Fanomanana fifidianana Hitsitaitaika ny firotsaky ny vola


  • Alarobia 21 Novambra 2012

Mbola lavitra ny lalana ho an’ny CENIT hatao vao ho vory ny 65 tapitrisa dolara, raha 71 tapitrisa dolara teo am-piandohana, kendrena ho azo hahafahana manatanteraka fifidianana madio, demokratika, eken’ny rehetra amin’ny 2013.

 Ny Vondrona Eoropeanina, ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD, Soisa ary Norvezy no namaly ny antso hatreto, fa hanao rakitra ao amin’ilay kitapom-bola hikarakarana fifidianana na “Basket fund”, na izany aza dia nametraka fepetra izy ireo fa miankina amin’ny fahatanterahan’ny tondrozotra no firotsaky ny fanampiana sy izay ho tohiny. Hitsitaitaika araka izany ny ho firotsaky ny vola. Omaly aloha izao dia nandrotsaka 13 tapitrisa euros ny Vondrona Eoropeana, iray tapitrisa dolara no entin’i Norvezy, 200 000 farantsa soisa ny an’i Soisa ary 4 tapitrisa dolara avy amin’ny PNUD.

Natao teny Andraharo, misy ny biraon’ny fandraharan’asan’ny Firenena Mikambana ny fifanaovan-tsonia momba izany. Nisolotena ny governemanta Malagasy ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, Botozaza Pierrot, nisolo tena ny praiminisitra Beriziky izay any ivelany any amin’izao, teo koa ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina. Ny masoivohon’ny fireneny avy kosa no nisolotena ireo mpanome. Anatin’ny fanisana mpifidy ny CENIT amin’izao. Efa nihoatra telo herinandro ny fe-potoana tokony nifaranany ny asa, satria raha tokony efa tamin’ny faran’ny volana oktobra ny fanisana dia nitarina hatramin’ny faran’ny volana novambra any. Hatreto dia mbola 30% n’ny vinavina ny asa vita, noho ny tsy fahampian’ny enti-manana ara-bola sy ara-pitaovana. Mino anefa na izany aza ny CENIT fa tratra ny datin’ny 08 mey 2013, hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena voaloha amin’ny Repoblika faha-4.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT