Politique

Fanomanana fifidianana Filohan’ny HCC Tsy raikitra ny omaly, mpikambana 2 tsy nipoitra


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Tsy tontosa araka ny niheverana azy ny fivoriana tokony handinihana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Fitsarana avo

 

 

 

 momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tokony natao omaly 13 aprily. Taorian’ny fianianana natao ny 8 aprily teo, manana 8 andro eo ny HCC hanaovana ny fifidianana izay ho Filohany. Tsy tonga anefa ny zokiolona indrindra na ny “Doyen” Atoa Florent Rakotoarisoa tokony hitarika ny fivoriana. Tsy nisy ny fanazavana ofisialy mikasika ny tsy nahatongavan’ity mpitsara ambony ity, izy izay voalaza fa kandida tsara toerana hitondra ny HCC. Mbola tsy tonga namonjy ny toerany ihany koa ny mpanolontsaina ambony Atoa William Noelson, izay efa tsy tonga tamin’ny fianianana ka ara-pahasalamana no voalaza fa antony. Re moa omaly, fa mety hihemotra amin’ny 31 aprily izao indray ny fifidianana izay ho Filohan’ny HCC. Manana anjara toerana goavana, ary azo lazaina ho manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto Madagasikara ny HCC, ka dia andrasana izay fivoaran’ny toe-draharaha etsy Ambohidahy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

Hijery ny tohiny
FTT