Politique

Fanoloana minisitra Mandamina ny Magro


  • Zoma 21 Septambra 2012

Tsy tafavoaka amin’ny krizy isika raha tsy fifidianana, hany ka lasa mihazakazaka any daholo ny rehetra, hoy Randrianjatovo Henri tetsy amin’ny Magro omaly.

 Mila miomana amin’izany fifidianana izany, hoy ihany izy nanoloana ireo mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana, araka ny toromarika nomen’ny filoha Ravalomanana. Raha ny fitantanana ny Ben’ny tanàna, ny fanapariaham-pahefana no goragora dia ho sahirana isika, hoy ity depioten’i Faratsiho taloha ity. Tetsy ankilan’izay dia nanambara i Zafilahy Stanislas fa “tokony ho modely mandrakariva ny departemanta tantanan’ny ankolafy Ravalomanana” ka raha mahita zavatra tsy mety dia “tsy maintsy mandray fepetra avy hatrany”. Nolazainy moa fa mbola hisy tompon’andraikitra hanome fanazavana momba ny resaka fanoloana minisitra.

Tsy mijery foko na fiaviana, hoy ihany izy fa iray ihany ny Malagasy. Nambarany koa fa tsy misy fanilikilihana na fanavakavahana saingy mihazakazaka ny fotoana. «Aoka tsy ho voafitaka isika ary aoka hatoky ny mpitarika na inona na inona fanapahan-kevitra ho raisina», hoy ihany i Zafilahy Stanislas izay niantso ny amin’ny tsy tokony hampiadiana ny olona. Ankoatra izay dia tsy lainga ary tsy voasakana ny fiverenan-dRavalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas. Manoloana izany dia misy olona mitety ireo manam-bola any mitaky vola hoe hanampiana amin’ny fiverenan-dRavalomanana ; olona misoloky izany, hoy i Zafilahy Stanislas fa tsy misy toromarika momba izany mihitsy satria ny fanavotam-pirenena tsy misy takalony.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT