Politique

Fanoherana ny Tanamasoandro Nanatevin-daharana ny tolona Iarinarivo


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Tonga nanatevin-daharana an’Anosibe zaivola, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga sy Fiombonana ary Ambohidrapeto ihany koa ny sabotsy teo ireo mponina avy ao

 

 

Iarinarivo hanamafisan’izy ireo ny tsy fanekena ny fanatontosana ny tetikasa Tanà masoandro eny an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo mponina ao Iarinarivo (distrikan’Ambohidratrimo) dia tsy eken’izy ireo koa ny fandavahana ny tanimboly na izay kasaina hatao fanariana rano maloto. Tsy mijanona ny tolona raha tsy ambara amin’ny fomba ofisialy fa afindra toeran-kafa fa tsy hanotofana tanimbarin’olona sy handrodanana ny fonenan’izy ireo ny fanorenana ity tanàna vaovao ity. Ankoatr’izay moa dia isan’ny tolona hiarahan’izy ireo koa ny fandavana ny fikasana hanaovana an’Anosibe Zaivola ho “Bassin tampon” na fanariana ireo rano maloto eto Antananarivo ihany koa, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT