Politique

Fanoherana ny fifidianana Manova paikady ny mpanohitra


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Mitady hangingina sy takon’ny raharaha Coronavirus ny resaka olana ara-pifidianana taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo.

 

 

 

Efa nitaky ny hanafoanana ny fifidianana rehetra ny eo anivon’ny fanoherana tarihin’i Marc Ravalomanana. Efa nisy ny fanambarana niraisan’ireo Vondron’ny kandida izay naneho fa voafitaka ny vahoaka Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay niantoka ara-bola ny fifidianana. Niara-nanao sonia izany ireo kandida maromaro toa an’i Marc Ravalomanana, ny solontenan’i Hery Rajaonarimampianina, Solontenan’i Tabera Randriamanantsoa, Arlette Ramaroson, Pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné, Marcellin Andriantseheno, Jean Jacques Ratsietison, Jules Etienne Rolland, Solo Norbert Andriamorasata, Fanirisoa Ernaivo. Tsapa ho manamafy ny fitakiany, ary manindrontsindrona ny fitondrana ny mpanohitra amin’ny alalan’ny fampitenenenana karazan’olona samihafa. Tsapa izany tamin’ny fandaharana iraisan’ireo onjam-peo sokajiana ho mirona kokoa amin’ny fanoherana omaly alahady 15 martsa, fantatra amin’ny hoe: “Miara-mampita”. Sesilany ny fanehoan-kevitra, toy ny resaka lisi-pifidianana sy ny karapanondro miverin-droa. Isan’izany, ohatra ny hoe: nahoana ary no noroahina ny Tale Jeneralin’ny Trano Printim-pirenena taorian’ny fanambarany fa misy karapanondro sy kara-pifidianana tsy avy amin’izy ireo? Ny 19 martsa izao no hisy ny fihaonan’ny CENI amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka ho hita eo indray izay hambaran’io rafitra io sy izay ho setrin’ny fanakianana avy amin’ny mpanohitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT