Politique

Fanohanana ny fitondrana *Miha bontolo hatrany


  • Talata 09 Aogositra 2022

Hita ho miha bontolo hatrany ankehitriny ny fanohanana izao fitondrana mijoro izao. niteraka resabe indrindra tao anatin’ny 3 andro izao ny fanehoan-kevitry ny mpiaradia amin’ny fitondrana iray nandritry ny fivahinianany

tao amina fahitalavitra tsy miankina izay nilazany fa " Ny Fitondrana HVM izay notarihin’i Hery Rajaonarimampianina no nampiakatra sy nampidangana vidim-piainana fa tsy Andry Rajoelina ary ny fitondrana TIM notarihin’I Marc Ravalomanana no nampisy delestazy teto Madagasikara fa tsy Andry Rajoelina." Isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpanara-baovao moa ny hoe inona na inona avy no maridrefy hahafahan’ity mpanao politika ity milaza izany. Mba arak’ity mpanao politika ity fotsiny ve fa tato anatin’izao fitondrana izao vao nisy izany harinkarena miiba -7,1% izany teto Madagasikara? Tato anatin’izao fitondrana izao ihany koa no nahitana taham-pahantrana lalina avo indrindra hatrany amin’ny 81%, araka ny tarehimarika navoakan’ny FMI hatrany. Na atao aza hoe mitombona tokoa ary fa ireo fitondrana teo alohan’izao daholo no nahatonga ny tsy fihetezan-javatra miha lalina rehetra eto, tsy anjaran’ny fitondrana mijoro ankehitriny ve izany no mamaha ny olana napetrak’ireo? Tsy efa tokony ho fantany ve hoe inona avy no olana miandry azy eo nialohan’ny niakarany teo amin’ny fitondrana? Araky ny mpitondra ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy ve ny fisian’ilay fehezanteny hoe “Fijerena lavitra no atao hoe mitantana firenena.” na “gouverner, c’est prévoir”?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT