Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.
Naverina indray izy io nanomboka ny sabotsy lasa teo htramin`ny talata 25 jona izao rehefa niato nandritra ny 60 taona ary hisy hatrany isa-taona. Tonga nitsidika teny ny Filoha Rajoelina. Nambarany fa hiavaka kokoa noho ny amin’ity taona ity ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan'ny fahaleovanten'i Madagasikara ary hohatsaraina avo folo heny ny kermesin’ny foloalindahy. Tranoheva manodidina ny roapolo ahitana fialamboly isan-karazany sy fampirantiana izay ahitana miaramila sy zandary no ao. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena isika, ary misy foana ny “podium” isan’andro toy ny eny Analakely ka hitohy hatramin`ny 26 jona ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.