Politique

Fankalazana ny fetim-pirenena Diso fanantenana ireo mpivarotra arendrina sy afomanga


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Mpivarotra maromaro no velon-taraina noho ny tsy fahazoana mivarotra arendrina sy afo manga amin’ity taona 2020 ity vokatry ny hamehana ara-pahasalamana

 

 

 

 

 eto amin’ny tany sy ny firenena. Ireny mantsy no mba fikaraman’izy ireo mialohan’ny fety rehefa volana Jona tahaka izao no sady anisan’ny hamoahan’ny isan-tokantrano vola ihany koa ankoatra ny sakafo. Misy amin’ireo tokantrano Malagasy, indrindra ireo mpanam-bola no mahalany an’hetsiny mihitsy hividianana izany miaraka amin’ny afo manga. Tsy maintsy hivarotra ireo karazana kojakoja ilain’ny mponina amin’ny andavanandro toy ny mahazatra ihany araka izany ireo mpivarotra izay efa mivelona amin’izany isan-taona. Ho an’ny sainam-pirenena kosa dia efa manomboka hita eny an-tsena ireo mpivarotra azy ireny amin’izao. Manomboka amin’ny 5.000 Ar ny vidin’ny iray salantsalany raha 10.000 Ar mihoatra kosa ireo karazany lehibe.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT