Politique

Fankalazana ny 14 oktobra tao Mandritsara Nolokoina volamena ny sary vongan’ny filoha Tsiranana


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Hetsika maromaro omaly no nankalazana ny fetin’ny repoblika voalohany tao Mandritsara niarahana tamin’ny antoko politika naorin’ny filoham-pirenena tamin’izany, Itompokolahy Philibert Tsiranana, dia ny PSD.

 

 

 Ny sekretera nasionalin’ny antoko, Eliana Bezaza, sy ireo sojabe ara-drazana sy ireo fikambanana maro tao an-tanana moa no voalaza ho nifarimbona tamin’izay fankalazana ny 14 oktobra izay. Nolokoina volamena moa ny sary vongan’ny rain’ny fahaleovantena, dia ilay filoham-pirenena voalaza teo, ny 10 oktobra. Naodina niantsinanana ny sary vongana tao bazary sarety ny alatsinainy raha nianatsimo teo aloha ary nolokoina volamena ihany koa. Naseho sy napetraka teo anatrehan’ny vahoaka tamin’ny fomba nentim-paharazana ireo sojaben’ny faritra Androna telo mirahalahy. Notapahana ny “ruban” fampiratiana an-tsary mivelatra ny tantaram-pirenena niarahana tamin’ny mpitahiry vakoka malaza, Michel Rakotobe. Ny talata moa dia naira-nirona tany Marosely, izay tanana nilatsahan’ny tavonin’ny filoha Tsiranana ka nandoko volamena ny sary vongana ao ihany koa. Ny marainan’ny omaly 14 oktobra 2020 no nanaovana ny tsangan-tsaina sy niredonana ny hiram-pirenena Malagasy ary nitohy tamin’ny ady hevitra mitondra ny lohanteny hoe “Maninona no ahilikilika ny 14 oktobra?”. Naira-nanapa-kevitra avy eo ny rehetra fa avadika fety be na “festival” ny 14 oktobra manomboka amin’ny taona ho avy, raha ny tati-baovao voaray hatrany. Hampahafantarana an’i Mandritsara amin’ny lafiny kolontsaina sy toekarena ihany koa izany ary hitohy hatramin’ny 19 oktobra izao moa ny fankalazana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT