Naneho ny hafalian’ny antoko politika nisy ny filoham-pirenen’ny repoblika voalohany, Itompokolahy Philbert Tsiranana,
dia ny PSD izany, raha naheno ny fanambaran’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa atambatra ny 14 oktobra 2020 ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena sy ny fetin’ny repoblika. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Eliana Bezaza, fa tokony ho andro tsy hiasana nefa andraisan-karama ihany koa aza ny daty fahatsiarovana ny 14 oktobra 1958, izay fahaterahan’ny repoblika Malagasy. Voafaritry ny didy hitsivolana na “ordonnance” laharana 60-062 ny 20 jolay 1960 rahateo ary nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana ny 23 jolay 1960 fa natokana ho “fetim-pirenena Malagasy” io daty io. Mety hampiova zavatra maro, araka izany, ity fankalazana ny 14 oktobra ary iza moa no mahalala raha izay mihitsy tokoa no tanjon’ny fitondram-panjakana ?
Ny 14 oktobra 1958 no naseho voalohany ny sainam-pirenena Malagasy Fotsy, Mena Maitso.Atoa Ranaivoson Andrianome no nanao azy.Midika ho fahadiovana ny fotsy, fiandrianam-pirenena ny mena ary fanantenana ny maitso.
Legende :Norbert Zafimahova nampiseho ny sainam-pirenena Malagasy ny 14 oktobra 1958 (Tahirin-tsary : Joelle Tahindro)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.