Politique

Fanjakana tsy misy fitoniana Misy mitady hanongana indray ny Praiminisitra


  • Alarobia 04 Mey 2022

Mafampana ny toe-draharaha politika miainga etsy amin’ny Antenimieram-pirenena, izay niditra amin’ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 03 mey 2022.

Ankoatra ny ho fandinihana arahi-panintsiana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana, manangasanga any indray ny fitsipaham-pitokisana sy fanonganana birao maharitra. Tsy nandiso ny fisian’ny fikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra sy ny fikasana handrodana ny birao mahaitr’io andrim-panjakana io ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra ny fanokafana omaly, izay natrehin’ny Praiminisitra sy ny mpikamban’ny governemanta sasany. «Misy ireo fanehoan-kevitra etsy sy eroa izay mitady hanohintohina ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana. Mila dinihina sao ho zava-doza vao mainka hanampy trotraka ny fahavoazan’ny firenena. Aleo mifanantona foana aloha dia miresaka mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Re tokoa fa hiroso amin’izao, hiroso amin’izatsy isika amin’ity fotoam-pivoriana ity. Aoka hampiseho firaisan-kiana sy firaisam-po hatrany”, hoy ny ampahan-tenin-dRtoa Christine Razanamahasoa. Naneho io filohana andrim-panjakana io, fa mila mifampiresaka, mifampihaino sy mifanitsy ireo mpisehatra politika avy amin'ny vondron'antoko misy ireo depiote, ka nilazany fa toko tapaka, vilany mitongilana ary izay tsy mety arenina amin'ny fifampiresahana. Nanao antso i Christine Razanamahasoa fa ny fifidianana ihany no vahaolana ara-demokratika, ary miankina betsaka amin'ny maro an'isa IRD ny fandaniana atao eo anivon’io andrim-panjakana tarihiny io. “May volotratra ireo filohana andrim-panjakana satria izahay dia efa manentana ny solombavambahoaka hanasonia ny fitsipaham-pitokisana. Betsaka ny manohana anay hanao izany, ary izay tsy manao sonia dia ho hitan’ny vahoaka eo hoe : iza no tsy tia tanindrazana, fa raha ny fahantran’ny vahoaka dia mandeha amin’izay io, mila havotana ny vahoaka”, hoy ny depiote iray avy amin’ny mpanohitra.
NY IRD SASANY
Fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena taorian'ny nanovana ny mpikamban’ny governemanta ny 16 martsa teo, dia efa mananontanona sahady ny fanozongozonana ny Praiminisitra. Nanamafy ny voalazan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena moa ny Praiminisitra Ntsay Christian fa na ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta na ny fandrodanana ny birao maharitry ny antenimiera, dia tsy mahasoa ny vahoaka sy ny firenena amin’izao fotoana tsy maintsy hatrehina amin’ireo amabana maro sy ny vokatry ny ambana misy : rivodoza, krizy any Ukraine, ny valanaretina,… Mila marin-toerana ny fitondram-panjakana. Na handaitra na tsia ny fitsipaham-pitokisana, dia miharihary fa tsy marin-toerana hatrany ny Fanjakana sy ny governemanta. Hatrany am-boalohany no efa tsy sitraky ny IRD sasany ny Praiminisitra ankehitriny izay Lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana, ary misy olom-boafidy volomboasary efa tena sahy niteny mivantana ny tsy fahombiazan’ny governemanta, toy ny resaka ady amin’ny kolikoly. Mandindona hatrany an’ity Praiminisitra ity ny fanaisorana, saingy manana ny mpiaro azy ihany koa izy matoa tsy voahaisotra hatreto, kanefa toa manamafy ny ady mangatsiaka ao anaty Fanjakana io.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT