Politique

Fanjakana tsy matotra Efa ho rava vao manana programa


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Tonga amin’ilay fitenenana hoe: “lasa ny alika vao manangom-bato” ny fitondrana Rajoelina. Hatrizay tsy hita izay nafitsoka, ary efa ho rava ilay Fanjakana vao mikorapaka mamoaka izao vina sy programa izao.

Tsy nijoro tamin’ny maha izy azy, tsy matotra, fa niovaova teny am-pandehanana ka tsy hay intsony izay tena politika sy programam-pitantanana teto. Ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) no niaingana nentina nandresen-dahatra vahoaka tamin’ny fifidianana, saingy anarana sisa tsy maty sisa io. Nolalaovina ny teny hoe: “Velirano”, saingy tsy hita izay tena tanteraka, ary ireny nivoaka ireny ny antontan’isa fa 12% latsaka tamin’ny fampanantenana no vita, ary lalaovina amin’ny fanambarana azy amin’ireo lazaina fa andalam-panatanterahana, ka dia nakarina ho 52%. Resaka no betsaka fa ny fanatanterahana tsy hita. Nandeha indray avy eo ny PGE (Politique Générale de l’Etat) saingy tsy hita be ihany izay tena vokany, fa ny fiakaran’ny harin-karena nitotongana -7% no nisongadina. Nisy an’izany “Plan Marshall” nireharehana fa hanokanana 1043 miliara Ar, kanefa inona no vokany? Resabe no betsaka, fampanantenana no nipoapoaka, eny toa vita hatramin’ny nampiasa mpaminany sandoka nilaza aza fa hiainga eto Madagasikara, hono, ny fanavotana izao tontolo izao. Ny kibizibizina no betsaka, tsy mbola nisy Filoham-pirenena sahy niteny nivantana na ankolaka teto Madagasikara fa mampidi-bola kokoa ny mamboly artemisia noho ny mamboly vary ka aiza ny vokatr’izany izao? Ny volana janoary 2021 indray, nipoitra avy tany ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) nolaizaina fa hatolotra sy hampafantarina ofisialy fotoana fohy taorian’ny 19 janoary 2021 saingy izao vao nifoha, nandadilandizana tany amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), satria tsy manam-bola hoeti-manatanteraka izany. Ny vava be no lasa aloha, kinanjo voatery misolelaka satria tapi-dalan-kaleha. Heritaona mahery taoriana vao niantso manam-pahaizana handahatra ny laharam-pahamehana amin’ny PEM tamin’ny volana febroary teo. Io no nandresen-dahatra ny mpamatsy vola amin’ny fihaonana an-tampony mikasika ny famatsiam-bola, Spring Meetings 2022 tantrahina any Washington.

 

TSY REHAREHA FA HENATRA…
Ankehitriny, noho ny fahantrana lalina sy mankadiry vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, nosokajian’ny Firenena Mikambana sy ny Banky Iraisam-pirenena ary ny FMI ho firenena, dia nekena fa hatao fitaratra amin’ny politika ho an’ireo firenena fadiranovana i Madagasikara. Ireharehan’ny Fanjakana kanefa azo lazaina ho henatra io. Herintaona sy tapany aty aoriana vao mikofokofoka amin’ny vina sy programa satria may ny endim-boanjo. Raha ny zava-misy anefa, ny ao anatiny aza mahita fa andalam-paharavana ilay Fanjakana vao mikofokofoka. Misy ny efa niala tao anaty sambo, ao ny sahy mamaky bantsilana fa tsy mbola nisy kolikoly sy fitantanana tsy manjary tahaka ity eny fa na tamin’ny andron’ny HVM aza..
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT