Politique

Fanjakana tsy mahavaha olana ny Lasa mirona any amina fampiasan-kery


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Manomboka mirona betsaka amin’ny fampiasan-kery sy fandrangarangana basy aman-tafondro ny Fanjakana.

Mamoritra, mandrahona, misambotra,… Tsy voafehy ao anatin’ny fifampiresahana ny olana sy ny krizy samihafa, fa ny tsindry ara-tsaina sy ara-moraly amin’ny fampiasana ny mpitandro filaminana aloha no tena hery hoenti-miatrika voalohany. Mandeha tolon’ny mpianatra, dia raikitra aloha ny fifandonana ary mamahatra any amin’ny faritry ny anjerimanontolo mihitsy ny mpitandro filaminana raha ny zava-misy any Antsiranana. Mandeha ny hetsiky ny mpitsabo mpanampy, dia ny Emmo-reg no tonga eny amin’ny toerana. Mandeha fifanolanana anaty kariera fitrandrahana vato, tsy voalamina fa miafara amina fandatsahana ain’olona. Resaka fampiharana didy aman-dalàna mikasika fisamborana olona mpamotika faritra arovana miafara amina fahafatesana olona 7 ka zandary iray ary sivily 6. Mikorapaka sy mandrahona hanetsika ny OMC-National ny Fanjakana eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana maro eto amin’ny firenena, ka isan’ny mahazo fandrahonana hosamborina ny mpanohitra, izay voarara tsy hanao tatitra eny an-dalambe, voahenjika amin’ny fanehoan-kevitra anaty haino aman-jery,... Tsy voalamina sy voarindra amina lamina tsotra intsony ny raharaham-pirenena sy ny olana, fa voatery miditra amina fampiasan-kery sy fandrangarangana hery. Efa tena zava-doza izany sivily sy zandary mifandatsaka aina izany, ary hita taratra ny fisiana fifamaliana faty na “réglement des comptes”, ka samy manao fitsarana amin’ny alalan’ny fandatsahana aina na ny olon-tsotra na ny mpitandro filaminana, fa tsy miandry izay fahefam-pitsarana any. Tandindon’ny fahamafisan’ny krizy ireny, ary tsy tokony hohamaivanina. Tsy vitan’ny fandrangarana hery na vahana amin’ny alalan’ny herisetra satria mety hiteraka fipoahana lehibe.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT