Politique

Fanjakana tsy mahavaha olana “Fampalazana tena sy fampanantenana sisa no atao”


  • Alarobia 29 Jona 2022

Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.

Tsy mahavaha olana, fa na fampanantenana no betsaka, na mitady izay hanilihana, na miezaka manao kisehoseho ivelany hafa mihitsy hanariana dia sy hamiliviliana ny sain’ny olona. Tsy manana drafitra sy paikady hoenti-mitantana firenena, tsy manana paikady hoenti-miatrika sy mamaha ary mifehy ny fiantraikan’ny olana, toy ny tamin’ny coronavirus nahery vaika, izay tsy nisy drafi-panarenana mazava na “plan de relance” na ara-toekarena io na ara-tsosialy. Kianja manara-penitra no nihazakazahana sy nireharehana, ratsy tantana sy ahiana toa lasa tany amin’ny tsy izy ny vola, ahiana ho nanaovana bizim-pianankaviana toy ny tamin’ny resaka tambavy ka tonga hatramin’ny famoronana horonan-tsary miendrika faminaniana sandoka fa hiainga eto Madagasikara, hono, ny famonjena izao tontolo izao, ny artemesia nolazaina fa hahazoana tombony noho ny vary,... Fanafarana sambo mitondra entana ilaina andavanandro no nolazaina fa asa fampandrosoana fa ny fambolena vary 2 taona vao miakatra,… Io ny vokany hoe: mahatratra 7,7 ireo Malagasy zara raha misakafo ankehitriny raha toa ka 6,3 tapitrisa 3 volana lasa, hoy Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena roa herinandro lasa teo izay. Tsy mamoaka ny vokany firy intsony ny ankamaroan’ny firenena mpamokatra toa an’i Inde, Pakistan,…. hany ka miaka-bidy ny vary, katsaka, varim-bazaha. Ny any Ukraine sy Russie, dia isika no firenena laharana faha-17 amin’ny fanafarana varim-bazaha,… Ny solika moa io, dia tany amin’ny 80 dolara no efa 120 dolara ny barila. Kofona tanteraka ny Fanjakana ary ambaran’ny mpahay toekarena fa isan’ny lesoka ny tsy nanetsehana ny vidiny fony nilatsaka be na niakatra kely ny vidin-tsolika. Hatramin’ny Jirama tsy voahodina intsony, bokan-trosan-tsolika hatrany amin’ny 1000 miliara Ar. Efa tany amin’ny novambra 2019 no natsangana ny SPM (State Procurement of Madagascar) hanafatra PPN, solika, saingy ny “réquisition” no nihazakazahana satria ankoatra ny olana ara-lojistika hanatobiana solika, dia mazava fa tsy manam-bola hividianana mivantana. Ny orinasa sy indostria no toa tadiavina hovolosana hakarina 80-100% ny faktiora ka izany ve no fahaiza-mitantana? Izao delestazy manerana ny Nosy, fa mbola mahita fomba hampalazana tena amin’izany ihany ny Filoha, toy ny tao Ambovombe herinandro mahery izay hoe: izaho no handray andraikitra rehefa tsy handray andraikitra ny Jirama sy ny minisitera,… Tsiahivina hatrany tsisy na tsy ampy solika ny jirama toy ny any Antsohihy izay tapaka tanteraka afak’omaly, Ambositra ora vitsy sisa, Sambava, Ambatondrazaka, Nosy Be,… Ny eto Antananarivo moa dia ny herin’ny rivotra indray, hono, no fototry ny olana omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT