Politique

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

 

 

 Nanambara ny filoha Andry Rajoelina omaly  fa mba tsy haharatsy loatra amin’ny toekarena ny akon’izany dia misy ny fifanarahana tsy maintsy natao tamin’ny sehatra tsy miankina mba tsy hahafaty ny Malagasy. Tsy hisy ny fahaverezan’asa Nisy ny fivoriana niarahan’ny fitondram-panjakana tamin’ireo sehatra tsy miankina mba ho fitandrovana ny tsy hahavery asa ireo mpiasa Malagasy. Fantatra fa ny sehatra tsy miankina dia mampiasa olona marobe eto Madagasikara. Izany no antony tsy maintsy nihaonana tamin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara), ny Vondron’ny Orinasa Afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka (GEFP) ary ny FIVondronan’ny MPAndraharaha Malagasy (FIVMPAMA). Fivoriana nijerevana ny marimaritra iraisana mba tsy hampisy ny fanajanonana ireo mpiasa misehatra amin’ireo vondrona lehibe mampiasa olona marobe ireo.

Fifanarahana

Tapaka tamin’izany ary fa tsy hisy ny fandroahana mpiasa saingy misy ny fepetra mifandray lalana amin’izany. Mihemotra ny fanambarana sy ny fandoavana hetra, tsy mandoa CNaPS sy OSTIE .Maromaro ny fepetra sy ny fifanarahana noraisina mahakasika ny lafiny ara-ketra tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ireo vondron’ny mpandraharaha sy ny orinasa tsy miankina ireo. Nahemotra amin’ny 15 mey ny fanambarana sy ny fandoavana ny hetra tokony hatao ary hajanona avokoa ny fanamarinana ara-ketra hatramin’ny 31 mey. Ankoatr’ izay dia tsy hisy ny fandoavana ny latsakemboka amin’ny CNaPS sy OSTIE fa ny fanambarana amin’ny Haba Alaina amin’ny Tataom-bidy (TVA) sy ny hetra alaina amin’ny karama (IRSA) ihany sisa no hatao.

115 miliara ariary

115 miliara Ariary no hetra tokony haloa hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ho fampiodinana ny asam-panjakana saingy nekena aloha ny fifanarahana hanemotra izany mba tsy hisy mpiasa voaraoka na ho tratran’ny chômage technique Mihemotra ny fandoavam-bola any amin’ny Banky Tsy vitsy ihany koa ireo olon-tsotra na orinasa nihindram-bola tamin’ny Banky ka tsy maintsy nojerena manokana ny mahakasika azy ireny. Nanambara ny filoha fa nisy mihitsy ny fihaonana tamin’ireo fikambanan’ny mpisehatra matihanina amin’ny Banky (APB) niresahana ny amin’ny fandoavam-bola tokony hatao amin’ity volana ity. Tapaka tamin’izany fa ahemotra ny fandoavam-bola indrindra ho an’ireo izay nanao findramam-bola nividianana tany na nanaovana trano ( crédits immobiliers). Ho avy ny fanampiana avy any ivelany Manoloana izany fahavoazan’ny fanjakana izany indrindra ny amin’ny lafiny ara-ketra dia misy ny lamina hoy hatrany ny Filoha. Efa nisy hoy izy ny fifampiresahana tamin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Manerantany ary ho avy ny fanampiana manokana amin’ny herinandro.

 Tsirinasolo sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT