Politique

Fanjakana sy Kaominin’Antananarivo Renivohitra Tsy afaka miara-miasa mihitsy ve ?


  • Zoma 05 Jolay 2019

Mikorontana tanteraka Antananarivo. Tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, miverina amin’ny laoniny manao izay tiany ny posy sy ny sarety, ny fitohanan’ny fiara goavana n’aiza n’aiza aleha. Ny olona sy ny biby fiompy mifanaretsaka eny an-dalambe. Mipoitra etsy sy eroa ary

 

tsy misy manaja fitsipika sy lalàna intsony ny mpivarotra. Mifanakaiky eo amin’ny tany eo ny fako sy ny legioma ary ny ananana. Tsy fantatra intsony raha voaara-maso ny hena amidy satria misy ireo mpivarokena miforomporona eny amoron-dalana, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro na andro fety. Mby aiza izao ilay fanaraha-maso akaiky ireo mpivarotra hani-masaka izay tokony hiarahan’ny kaominina sy ny minisiteran’ny fahasalamana ? Ahoana ny lafiny ara-pahasalamana amin’ireny zavatra ireny ? Ny mponina indray dia maro no efa samy manao izay saim-pantany. Noho ny tsy fahafantarana ve sa tsy ampy ny fanentanana sy fampianarana ? Marisarisa mantsy ny fanabeazana ny olom-pirenena eto amintsika amin’ny ankapobeny. Ny kihon-dalana sy ny toerana maizimaizina moa efa maimbo ary tsy menatra intsony ny olona na lahy na vavy na lehibe na kely manao maloto imasom-bahoaka andro aman’alina. Fehiny, maloto, maimbo, mikorontana ny tanàna. Fa tsy afaka miara-miasa mihitsy ve ny fitondrana foibe sy ny kaominina mandamina io zavatra io ? Marina fa tsy mitovy ny firehana politika saingy tanàna iombonana Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara fa tsy an’antokon’olona na vondron’olona. Manana sata manokana ny CUA. Rariny sy hitsiny raha tohanan’ny fanjakana. Tokony hanana ny tetibola mifandraika amin’izay, saingy tsy in-dray tsy in-droa ny filazana fa tsy omen’ny fanjakana foibe ny vola efa voasoratra fa ho an’ny CUA. Toa faminganana no misy satria ny fanangonana ny fako ho eny amin’ny daba izao, dia andraikitry ny CUA amin’ny alalan’ny mpanadion’ny RF2, fa ny fitaterana azy kosa dia an’ny SAMVA, izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny rano. Gafy ve izany ny tsy hitaterana ny fako ? Ampahatsiahivina ny tenin’ny filoha tany Tsiroanomandidy ny 19 mey lasa teo fa ampiany avokoa na volomboasary na mena na manga ny loko politikan’ny mpitantana. Irariana mba tsy ho kabary fotsiny !

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT