Politique

Fanjakana Rajoelina Tena hanjakan’ny kiantranoantrano


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

“Tamin'izao fitondrana izao no tena hita mibaribary ny fanomezana tombontsoa manokana ny mpihavana akaiky na ny "népotisme",

 

 

izay mbola voasokajy ho tafiditra anaty kolikoly. Raha tsy hiteny afa-tsy ny mpikambana anaty goverrnemanta ramatoa ary ny vady andefimandriny dia voatendry ho mpiasam-panjakana ambony. Nanaitra ny sain'ny maro koa ny nahalanian'ny mpikambana iray vaovao anaty ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay tsy iza fa vadin'ny mpiara-miasa akaikin'ny filoha. Ekena fa mety manana fahaizana manokana momba izany izy ireny fa raha mijery ny famaritana ny atao hoe : "népotisme" anaty rakibolana aloha dia mazava ny teny ao, "kiantranoantrano". Iray trano, iray lovia... », hoy ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Livasoa Razafindrasolo olom-pirenena mpanaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena. Lasa raharaham-pianankaviana sy hanjakan’ny kinamanamana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tena maro ny endrika isehoan’io. Misy minisitera eto, olona mpivady no samy notendrena ho Tale ao anatina minisitera iray. Nisy minisitra aza tany amin’ny taona 2019, dia efa naneho fa hiady ho an’ny antokony sy hiady ho an’ny olon’ny antokony no antom-pisiany voalohany ao anaty governemanta,... Mazava fa lasa misy tombotsoa mifampiankina, izay misy fiantraikany lehibe sy mety ho sakana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT